Somary mangingina indray ny fifampihantsiana mivantana eo amin’ny samy mpanao politika amin’izao fotoana izao. Tsy hay izay ho hiafaran`ny raharaham-pirenena fa toa samy efa miomana any amin` ny fivoahan`ilay lalam-pifidianana dinihana eny amin`ny Antenimieram-pirenena.
Azo antoka aloha fa milamindamin-dratsy ny tontolo politika eto amitsika ary ahiana ho miketrika hetsika goavana any ambadika any ny hery velona rehetra misy. Ho an`i Marc Ravalomanana indray dia tsy nandrenesam-peo intsony ary nangina tanteraka. Hitam-poko sy hitam-pirenena ny antsojay nahazo azy sy ny orinasany. Niha mafy hatrany ny sakatsakana nahazo azy ary tsy tahotra sy henatra ny HVM nandoto azy eo amin`ny iraisam-pirenena. Ny serasera an`ny HVM dia nanamafy fa i Ravalomanana no tena fototry ny olana amin`ny fampandrosoana an`Madagasikara. Mazava ny hafatrin` ny fitondram-panjakana fa na mifantoka tanteraka amin` ny fanokafana ny orinasan`ny Tiko ataony na manohy ny tontolo politika. Tsy mahasoa ny firenena ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana satria “anti-economique” izany. Raha tsiahivina dia toa izany koa ny hafatra azo tany Antsiranana tamin`ny fankalazan`ny faha-50 taonan'ny Fiangonana FJKM tany Antsiranana ny volana aogositra 2017. Ataovy ny asam-piangonana ary ataonay ny politika, hoy ny filoham-pirenena. Manoloana izany rehetra izany dia tsy mipetra-potsiny izy fa efa tena miasa mangina mikaro-bahaolana amin`izay zavatra mahasoa an`ny firenena sy ny soa iombonana. Ny fiandaniana rahateo dia tokony ny soa iombonana sy tombon-tsoam-pirenena ary mijery ny ho avy hanasoa ny firenena. Na inona na inona fifanarahana sy stratejia politika ambony latabatra ataon’ny mpitondra dia hisy hatrany ny krizy raha mbola maharary ny vahoaka. Tsy finiavana hila vaniny na hanakorontana no mahatonga ny hetsika fitakiana etsy sy eroa fa tena iankinan’ny fianam-bahoaka sy ny isan-tokan-trano mihitsy. Manoloana izany rehetra izany dia minia mikipy sy mody tsy mahalala ny zava-misy eto amin’ny firenena ny filoha Rajaonarimampianina. Araka izany, mailo amin`ny fandrika sy mety fampijabahana mety hatao azy ankehitriny ny Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana kanefa ny fampiharana ny tany tan-dalàna, ny fanaovana vaindohan-draharaha ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny kolikoly ary ny fanokafana ny orinasa Tiko no takian’ny antoko Tiako I Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.