Nanova paikady ny filoha Marc Ravalomanana amin’izao dingana misy ny famahana ny krizy eto Madagasikara izao.
Eo amin’ny lafiny serasera io fiovana io no misongadina, dia ny fahanginana. Mahalaza zavatra maro io. Nisafidy ny hangina tokoa i Marc Ravalomanana. Tamin’ny 15 febroary 2012 no nandrenesan’ny besinimaro azy farany. Nanao antso tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenany tamin’io mba hanampy ny Vahoaka Malagasy niharam-boina vokatry ny rivodoza Giovanna. Noporofoiny tamin’io fa raiamandrenin’ny Malagasy izy, ka mandray andraikitra. Nangina izy taorian’izay. Ny mangina rahateo dia sady fahatokisana no fanajan-tena fa tsy miditra amin’ny ady an-tsena sy angaredona politika manavanana ny FAT, eny fa na eo aza ireo teny feno fihantsiana samihafa ataon’i Andry Rajoelina.
Tsaroana ny tamin’ny 07 febroary 2012 teo Ambohitsorohitra izay nanozonany ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka sesitany any ivelany, sy ny tamin’ny alin’ny zoma 23 martsa izay niampangany mivantana an’i Marc Ravalomanana ho maniraka olona hifofo ny ainy. Na teo aza ireny, dia matoky ny SADC sy ny Troika i Marc Ravalomanana, ary mitana ny teniny amin’ny fanajana ny voalazan’ny tondrozotra araka ny voalazan’ny andininy faha-22, faha-23 ary faha-24 hampitsaharana ny fifampihatsiana hisian’ny fitoniana, na dia eo aza ny andininy faha-17, manome fahalalahana azy toy ny olom-pirenena rehetra haneho hevitra, hanao fihetsiketsehana, hiditra anaty fikambanana.
Araka izany, izao fahanginany izao dia midika ho fatokisana ny SADC sy ny Troika amin’ny fampiharana ny tondrozotra, izay mirakitra mazava ny anarany rahateo ao amin’ny andininy faha-20, anisan’ireo sesitany afaka miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra. “Aza miroaroa saina, fa avelao hiasa ny SADC sy ny Troika”, hoy izy tamin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, raha tonga nihaona taminy tany Afrika Atsimo ity farany, herinandro lasa izay. Midika io fa milamin-tsaina i Marc Ravalomanana, tsy toy ny tamin’ireo iraka taloha, nahitana an-dry Edem Kodjo, Tiébilé Dramé, Ablassé Ouedraogo, sy ireo iraka Mozambikana nahitana an-dry Joaquim Chissano mbamin-dry Dr Leonardo Simao, izay nibaribary loatra ny fitanilana ka tsy fanelanelanana intsony no nataon’izy ireo fa toy ny mpitsara indray, ka vao mainka nampikatso ny raharaha. Ankehitriny miroso ny fametrahana ireo rafi-panjakana samihafa voalazan’ny tondrozotra. Mandray anjara ao anatin’izany ny ankolafy Ravalomanana, izay nanao sonia sy nankato azy io. Ny fananganana ny Filankevi-pirenena momba ny fampihavanana izao no dingana manaraka.
Mahomby ilay paikady fahanginana nampiharin’ny filoha Ravalomanana io. Hita ho mipenimpenina ny FAT manoloana izany ary mipatitaka am-pitoerana mihitsy aza vokatry ny tsy fifampatokisana. Na i Andry Rajoelina aza vaky vava ary niaiky ampahibemaso fa tsy matoky ny fitondrany ny olona, mahazo vahana ny “désobéissance”. Miantso ny hiverenan’i Marc Ravalomanana hanarina ny firenena ny Vahoaka ankehitriny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.