Manoloana ireo fanambarana ranolava nataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mitaky ny tokony hisintahan’ireo kandida telo amin’ny fifidianana filoham-pirenena, anisany Ramatoa Lalao Ravalomanana dia niditra an-telefaonina nivantana tao amin’ny Magro Behoririka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nitondra fanazavana sady naneho ny heviny.
Nambarany tamin’ireo mpomba azy fa tsy mety vizana isika manohy ny tolona satria tsy mbola miverina ny ara-dalàna nefa tsy maintsy atao am-pahendrena ary entina am-bavaka ny zavatra rehetra. Mikasika ny firotsahan-kofidian’i Neny dia nahitsy sady hentitra ny tenin’ny filoha Ravalomanana nilaza fa : “ara-dalàna”. Nentiny nanamafisana izany ny fanazavan’ireo mpahay lalàna Malagasy isany, Honoré Rakotomanana, Imbiky Anaclet ary Ranjeva Raymond nilaza fa ara-dalàna ny maha kandida an’i Neny ka tsy tokony hatao safo be mantsina. Milaza ny hanontany ny GIC mihitsy moa ny amin’ity herinandro ity, satria tsy voatery ho marina ny tenin’i Joaquim Chissano, nanao tatitry ny diany taty Madagasikara mikasika ny fampiharana ny tondrozotra.
Notsiahivin’ny filoha Ravalomanana fa misy amin’ireo kandida telo takian’ny iraisam-pirenena hiala an-daharana no ao anatin’ireo 109 voasazy noho izy ireo mpanongam-panjakana. Tsy voakasik’izany i Neny. Koa raha kandida izy ankehitriny dia tena am-pitiavana no anaovany an’io, tsy hameno paosy sanatria ! Tsy nisalasala ny filoha Ravalomanana nilaza fa i Neny no hampody azy aty Madagasikara. Firifiry rahateo izay fanambarana nataon’ny iraisam-pirenena izay, indrindra ny SADC, amin’ny tokony hampiharana ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra, nefa resabe fotsiny tsy arahin’asa. Nanamafy indray ny filoha Ravalomanana fa natokany hanompoana ny firenena ny andro sisa iainany. Niara-nanorina ny “Vita Malagasy” tamiko i Neny, hoy izy. Mahay, mahavita ary maranitra izy.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.