«Tsy misy atahoranay raha ny resaka fitsarana izany !», hoy ireo mpisolovava sady mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny momba ilay fanazavan-kevitry ny SADC no resahana.
Voalaza ao anatin’izany mantsy fa tsy misakana ny raharaham-pitsarana mandeha ka mahakasika olona iray mihitsy ilay hoe : «sans condition» na tsy misy fepetra, voarakitr’ilay sori-dalana vita sonia tao amin’ny Le Paon d’Or ny alin’ny zoma 16 septambra 2011 ary tsy mijabaka amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana ao amin’ny firenena mpikambana ao aminy ny SADC. Ireo mpiara-dia amin’ny FAT mantsy dia milaza indray fa raha vao tonga eto ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, avy hatrany dia samborina dia ampiharina aminy ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny aogositra 2009 ka higadra mandritra ny dimy taona izy.
Ny tsara homarihana, araka ny nambaran’Atoa Mamy Rakotoarivelo sy ireo mpisolovava azy dia tsy mbola didim-pitsarana raikitra ny misy momba ireo raharaha hanenjehana an’i Marc Ravalomanana satria mbola nampiakatra amin’ny rantsam-pitsarana ambony izy ireo, izany hoe mihantona aloha ilay didy. Ankoatra izay, araka ny nambaran’izy ireo ihany dia tsy tena azo antoka hoe ara-drariny sy tsy nitanila ny fitsarana nisy teto Madagasikara tao anatin’izao krizy izao fa misy ambadika politika. Noho izany, eo amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin’i Madagasikara dia tsy manan-kery ny fanenjehana na fanamelohana an’ity filoha teo aloha ity. Manampy trotraka izany rehetra izany moa ny hoe olona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ary tafiditra tao anatin’ireo nambara fa mpanongam-panjakana ny minisitry ny fitsarana amin’izao fotoana koa sarotra ihany ny hino fa tena tsy niandany ny fitsarana ary rantsana tsy mahefa mitsara azy rahateo no namoaka didy satria raharaha tamin’ny mbola naha filoham-pirenena feno fahefana tanteraka no anenjehana azy. Fehiny dia tsy misy azo hanenjehana sy hanagadrana an’ingahy Marc Ravalomanana ary afaka miditra malalaka eto izy. Efa nanaiky an’io ny rehetra, na dia nisolotena ny antokony aza ireo minisitry ny FAT teny Ivato dia tsy afa-miala izy ireo fa dia efa nisolotena ihany koa ny fitondrana tetezamita, izany hoe efa nanaiky izany ny FAT fa afaka mody tsy misy fepetra i Dada.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.