Nihaona fanindroany tamin’ny iraka manokan’ny vondrona afrikanina aty Madagasikara Lakhdar Brahimi teny Faravohitra omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Tafiditra ao anatin’ny fakan-kevitra sy fanangonam-baovao momba ny zava-misy marina eto Madagasikara no anton-dian’ity diplaomaty Alzerianina nalefan’ny vondrona Afrikanina ity. Mazava ny resaka ho an’ny sehatra iraisam-pirenena fa mila hajaina sy hampiharina manontolo ny tondrozotra. Ny tsy mbola fahatanterahan’izany no anisan’ny mampihisatra ny fahatongavan’ny famatsiam-bola eto Madagasikara. Sokajian’ny sehatra irasam-pirenena ho olona mora mivadika amin’ny sonia sy ny fifanarahana nataony mantsy ny mpitondra sy mpanao politika Malagasy ka tsy azo atokisana omena bolongam-bola goavana. Mbola voaporofo tamin’ity fihaonana teny Faravohitra ity ihany koa fa manana ny maha izy azy amin’ny raharaham-pirenena i Marc Ravalomanana. Tsy azo ihodivirana sy ailika izy, izay nanome toky fa hikaroka hatrany izay mahasoa an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny nandaozany indray an’i Madagasikara omaly hariva ho any Azia. Tsy nisy moa ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny mpiara-miasa amin’i Marc Ravalomanana saingy ny azo antoka fotsiny dia misy anton-dia mazava matoa mandeha tahaka izao izy fa tsy hitsangantsangana tsy akory. Fikarohana mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa no azo namintinana ireo diany rehetra tany Eoropa sy tany Korea atsimo tamin’ny taon-dasa. Heverina fa tahaka izay koa ny amin’ity indray mitoraka ity. Tsiliantsofina no nandrenesana halina fa hitsidika ireo firenena Aziatika matanjaka ara-toekarena i Marc Ravalomanana, hihaona amina mpandraharaha sy tompon’andraikitra maromaro mandritra izao diany izao. Tombanana ho any Chine izay anisan’ireo firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana koa izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.