Nihazo an’i Eoropa omaly indray i Dada Ravalomanana Marc.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany amin’izao diany any ivelany izao ny fitsidihana an’i Alemana sy i Frantsa. Mifantoka betsaka amin’ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka ho fanasoavana sy fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy hatrany ny vontoatin-dresaka amin’ireo tompon’andraikitra vahiny samihafa. Tsy mitsahatra ny mampahatsiahy ny vary mangatsiaka miandry ny fianakaviambe iraisampirenena manoloana ny tsy mbola fahatontosan’ny tondrozotra hatramin’ny farany, ny filoha teo aloha. Fahavalo sy sakana ho an’ny fampandrosoana ny fiarahamonina eto Madagasikara mantsy hatreto ny tsy fisian’ny tany tan-dalàna. Antony mahatonga ny firongatry ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana amin’ny endrika samihafa avy amin’ny mpitondra toy ireo tranga fibodoan-tany marobe. Handray andraikitra ary ho hentitra amin’ny fampiharana ny soridalana anefa ny sehatra iraisampirenena, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.