Politique

Marc Ravalomanana « Kandidan’ny Malagasy rehetra aho »


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Mijoro hatrany ho kandidam-bahoaka, kandidan’ny fampihavanana, kandidan’ny fisokafana i Marc Ravalomanana.

 

Ilaina ny fifapiresahana hoy izy omaly maraina teny Faravohitra raha nihaona voalohany tamin’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety tamin’iity taona 2018 ity izy. Tsy handroso mihitsy i Madagasikara raha mbola misy ny fihatsarambelatsihy, hoy izy…efa eto aho izao ary fantatro tsara ny zava-manjo ny Malagasy sy ny firenena ary hitako ny paikady hamahana io olana io. Mikasika an’ilay fitsidihana nataony tany Toliara farany teo  dia nitondrany fanazavana fa baiko avokoa no azon’ny mpitandro ny filaminana saika hisambotra azy tao amin’ny Magro tao Toliara sy azon’ireo andiana ankizy nitondra sorabaventy tamin’ny taratasy nanohitra azy. Ny azo ambara dia diso ilay filazana fa tsy momba ny atsy na ny aroa ny mpitandro ny filaminana Malagasy ankehitriny ary tokony hohamafisina ny “discipline” eo amin’izy ireo. Nambarany ihany koa fa voafehin’ny fifanarahana politika ny “feuille de route” nosoniavin’ireo filoham-pirenena Afrikanina 14 mpikambana ao amin’ny Sadc  ny tokony hiverenany eto Madagasikara ka dia tonga izy. Tsy olana ny fanaovana fifanarahana politika eto amintsika, hoy izy, afaka mitsipaka an’izany ny filohan’ny Repoblika kanefa mbola afaka miverina amin’ny teniny ihany koa, hoy izy. Afaka miresaka amin’i Andry Rajoelina aho, hoy i Marc Ravalomanana raha vonona izy, tahaka ny efa natao tany Seychelles nandritra ny tetezamita ho famahana ny krizy. Notsipihany mazava tsara ihany koa fa tsy misy ny fifandraisana miafina na manokana aminy sy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Tsy tantiko ny laingalainga ataony, izaho tsy mihatsaravelatsihy ka izany no tsy nanatrehako ny lanonana teny Iavoloha tamin’ny zoma teo. Nanomezany valin-teny koa ny fifandraisany sy ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao izay nanomboka niharatsy tamin’ny fampiasana ny tanin’ny Tiko Agri eny Andohatapenaka. Mbola mampieritreritra ny rehetra ny nahatonga azy tampoka ho filohan’ny Loholona ary anisan’ny lasa saina amin’izany ny HCC, hoy izy.

 

Fiaraha-miasa sy famatsiam-bola

 

Amin’ny lafiny fiaraha-miasa kosa dia efa nanambara ny mpamatsy vola avy any ivelany fa mizarazara be loatra i Madagasikara ankehitriny ka sarotra hampiana ary tsy laharam-pahamehana ho azy ireo.  Tsy manana fahatokisana ny mpitondra eto ireo mpamatsy vola fa zara raha manao ny asa nifanarahana izy ireo. Ilaina ny manana olona mahatoky afaka mifandray mivantana amin’ireo mpamatsy vola ireo sy afaka mandresy lahatra azy ka lohalarana amin’izany ry zareo Noreveziana izay tena hatokisan’ny FMI fatratra, hoy izy.  Heveriko sy hatokisako fa manana herijika lehibe hanery ny mpamatsy vola mahazatra ihany koa ny “diaspora Malagasy” any ivelany ka izany no handehanako hiresaka amin’izy ireo atsy ho atsy. Mila fehezina ny sisin-tany sy ny vola vahiny mifamezivezy eto, tsy maintsy apetraka tsara ny fitsipi-pifehezana sy ny fanajana ny lalàna ary mifampiresaka foana.   Tsy ho kandidan’ny TIM irery aho fa kandidan’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ka izany no nananganana ny KMMR (Komity mpanohana an’i Marc Ravalomanana) vaovao izay Atoa Raveloson Constant (MFM) no mitarika azy.

 


 

Ntsoavina Evariste sy RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT