Politique

Marc Ravalomanana Izy no hiteny ny daty hahatongavany


  • Alatsinainy 26 Desambra 2011

«Mahatsiaro ho mangingina aty an-tanin’olona aty aho. Nanantena hanao krismasy miaraka aminareo aho. Na dia nanao araka izay azo atao aza dia teo ny sakantsakana isan-karazany.

 Manàna finoana sy faharetana anefa fa tsy ho ela dia ho avy aho. Ho avy hiresaka, ho avy hanarina ny firenentsika”, hoy i Marc Ravalomanana nanoloana ireo mpiara-dia aminy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. Nilaza ho mahatsiaro manokana ireo vahoaka sahirana ny tenany amin’izao Asaramanitra izao. Nirary soa ny Malagasy rehetra koa ny tenany, na ny eto an-tanindrazana na ny any ivelany amin’izao krismasy izao. Nirary moa ny tenany amin’izao fahatongavan’ny Mpamonjy izao mba hovonjena ihany koa i Madagasikara sy ny Malagasy.

Nanentana ny amin’ny tokony hananan’ny tsirairay finoana ny tenany manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. “Tsy maintsy hisy ny fampihavanana !”, hoy izy. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana moa dia efa tafajoro ny zoma lasa teo ny komity manokana manomana ny fitsenana ny filoha. Nentanina manokana ihany koa ireo vahoakan’ny Magro fa dia manana andraikitra ny tsirairay ao anatin’ny komity fa tsy natao ho an’ireo mpitarika ihany. Raha ny vinan’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy tokony ho dila ity herinandro ity izay fiverenan’ny filoha an-tanindrazana izay, raha tsy misy ny fiovana tampoka. Marc Ravalomanana ihany no tompon’ny teny farany sy hiteny izay daty hahatongavany izay, araka ny fanazavana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT