Politique

Marc Ravalomanana “Izay lazaiko ihany arahina”


  • Alarobia 06 Martsa 2013

Niditra nivantana an-telefaonina nitafa tamin’ny vahoaka nandritra ny lanonam-pifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny Ankolafy Ravalomanana tao Antanambe Distrikan’Amparafaravola ny filoha Marc Ravalomanana omaly talata 5 martsa.

 Nohamafisin’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny teny nataony, hoy ny CT Brenda mpikarakara ny hetsika ny tokony hanamafisana ny firaisankina sy hanambarana ny hery. Aza mety andairan’ny resaka afafy etsy sy eroa, hoy ny filoha Ravalomanana, fa “izay lazaiko anareo ihany atao. Ataovy tsara ny fanomanana ny fodiako an-tanindrazana ahafahantsika mamerina amin’ny laoniny ity firenena mamintsika ity”.

Nankasitraka manokana ny teny nataon’ny filoha Marc Ravalomanana moa ireo Tangalamena tonga nanatrika an’ity lanonana tao Tanambe ity ary mirary dia mirary tokoa ny hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana haingana eto Madagasikara indray hanohy ny asa efa natombony ho fanasoavana ny vahoakan’Alaotra Mangoro manokana sy i Madagasikara manontolo mihitsy. Naneho ny alahelony ihany koa anefa izy ireo, ny amin’ny fanakantsakanana ataon’ny sasany an-dRtoa Lalao Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana hitsabo an-dreniny marary nefa ny Praminisitra Omer Berziky efa nanome alalana mazava ny amin’izany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT