“Tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta Beriziky”, hoy Atoa Marc Ravalomanana raha niditra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, omaly.
Mazava ny voalazan’ny sori-dalana, hoy izy fa ny praiminisitra no misafidy izay hiara-miasa aminy ao amin’ny governemanta, fa fanendrena ihany ny an’i Andry Rajoelina. Mila teknisianina izy ary mila mpanao politika ihany koa. Tsy izany anefa no nitranga, hoy ihany ny filoha Ravalomanana. “Tsy nahasakana ny fandehanan-tsamirery sy ny didy jadona ary ny fitsabahana. Tsy mifanaraka araka izay niheverana azy ary mifanipaka tanteraka amin’ny sori-dalana ny zava-misy”, hoy ihany Atoa Marc Ravalomanana. Araka izany, dia “manamafy ny fanambarana nataon’ny filoha Zafy Albert aho fa tsy azo ekena. Tsy mifandanja velively ny fahefana ary tsy ny fidirana na ny fivoahana ao no inona”. Hatramin’izao, araka ny fanazavany hatrany dia mametra-panontaniana ny fianakaviambe iraisam-pirenena raha tena araka ny tokony ho izy tokoa iny fanendrena natao iny. “Matoky ny SADC sy ny Troika anefa isika ary matoky ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena”, hoy izy. Momba ireo olon’ny ankolafy tarihiny tonga teny Iavoloha moa ka manam-pikasana ny hiditra amin’io governemanta tsy ara-dalàna io, dia “manana andraikitra lehibe eo anatrehan’ny firenena sy ny vahoaka ianareo”, hoy Atoa Marc Ravalomanana. “Tsy ny fitiavan-tseza na fahefana no tokony hahamaika fa ny famahana ny olana, hitondra any amina fifidianana malalaka sy azon’ny rehetra antoka”.
Nankahery ireo mpiara-dia azy Atoa Marc Ravalomanana mba hanana faharetana. Ny zava-dehibe indrindra ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia ny famerenana ny firenena amin’ny ara-dalàna ka hahazoana ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola indray sy ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana dia ny fampodiana tsy misy fepetra an’ireo sesitany politika. “Tsy hipetraka, tsy hangina isika ka tsy maintsy tafapetraka ny tena ara-dalàna”, hoy ihany Atoa Marc Ravalomanana. Anisan’ny fangatahan’ny olona taminy moa ny tokony hodiany miaraka amin’ny Amiraly ny alakamisy ho avy izao. Tsotra ny navaliny. “Isika tsy miantsy manaraka ny fandaminana, manaraka izay hambaran’ny SADC-Troika satria izy ireo no hiantoka izany. Tsy mbola amin’ny alakamisy aloha aho no hody”, hoy ihany i Marc Ravalomanana. Ny ho avy moa no hamantarana izay.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.