Fantatra izao fa nisy lohahevitra lehibe 4 naroson’Atoa Ravalomanana tamin’ny dinika natao tany Seychelles ny 24 sy 25 jolay lasa teo
Karazana teboka iaingana amin’ny adihevitra sy ny dinika moa izy ity. Ny teboka voalohany dia ny filazana fa tsy tonga lafatra ny tondrozotra, nisy ny zavatra maromaro nampifanditra tamin’ny fampiharana azy, tahaka ny amin’ny adininy faha 16,17 ary 20 momba ny fampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana sy ny fodiana an-tanindrazan’ireo sesitany politika. Nahatsapa ihany koa ny ankolafy Ravalomanana fa mandringa ilay fiaraha-mitantana ary tsy araka ny tokony ho izy ny fametrahana ilay fahefana mpanatanteraka ao amin’ny fitondrana tetezamita. Na dia efa voasoniana aza ny tondrozotra sy voatendry ny praiminisitry ny marimaritra iraisana dia mbola tsikaritra ihany ny fanapahan’ny ankolafy tokana ny fitantanana firenena, araka ny fahitan’ny ankolafy Ravalomanana azy.
Ny teboka faharoa dia milaza fa ny Troikan’ny Sadc ihany no eken’ity ankolafy ity ho mpanelanelana mandritra izao tetezamita izao, ary dia izy no mampahafantatra ny fizotry ny raharaha any amin’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny vondrona afrikanina.
Ny teboka fahatelo kosa dia hamelabelaran’ny ankolafy Ravalomanana fa tsy maintsy fifidianana no hamaranana ny tetezamita, tsy azo atao ao anatin’ny fikoropahana na atao ankamehana anefa izany. Mila matotra ny fanomanana ka misy ny dingana maro tsy maintsy arahana ho fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Mitaky ihany koa ity ankolafy ity mba tena ho mahaleotena marina ny CENIT ka manana ny ampy sy afaka manapa-kevitra amin’ny asa izay ataony. Mila vonona tsara ny kandida, ireo mpifidy ary ireo mikarakara ny fifidianana ary tokony samy hanaiky izay voka-pifidianana mivoaka eo ny kandida rehetra. Izay ihany no antoka fa hampilamina ny firenena ary hamerina ny ara-dalàna eto. Ny Malagasy mpifidy no tompon’ny safidy sy tompon’ny teny farany, hoy ny ankolafy Ravalomanana ka tokony ho afaka maneho an-kalalahana ny safidiny izy ireo.
Toherin’ity ankolafy ity mafy ihany koa ny endrika fanakantsakanana kandida. Farany dia nanisy resaka ny amin’ny lafiny ara-pilaminana sy fandriampahalemana ny ankolafy Ravalomanana. Amin’izy ireo dia tsy momba ny atsy na ny aroa ny foloalindahy ary tsy miditra mihitsy amin’ny resaka politika.ametraka fitaovam-piadiana daholo ihany koa ireo milisy eto amin’ny firenena, satria izy ireny ny loaharanon’ny savorovoro sy ny fikorontanana etsy sy eroa amin’ny alalan’ny fanafihana, famonoan’olona, ary ny halatra isan-karazany. Isan’ny voaresaka ihany koa ny fiarovana ny ain’ireo mpisehatra politika. Izay amin’ny ankapobeny ny fonjan-kevitra naroson’Atoa Ravalomanana nandritra ny dinika tany Seychelles, raka araka ny fampitam-baovaoa avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.