Politique

Marc Ravalomanana Ireo antony mbola hampandaniana azy


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012

Tsy azo atao ny matoky tena na dia fantatra aza fa mbola tia an’i Dada ny ankamaroan’ny olona.

 Be dia be koa no nosimbain’ireo mpifanandrina izay tsy mipetra-potsiny fa efa mametraka ny azy ihany koa. Mila miasa mafy isika, hoy i Leriva Manahirana. Be dia be no mametra-panontaniana, hoy izy hoe maninona marina no mifikitra amin-dRavalomanana ho kandida ho filoham-pirenena ny ankolafy Ravalomanana. Betsaka ireo filoha nifandimby hatramin’izay, hoy ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity fa niavaka i Marc Ravalomanana.

Tsy nisy filoham-pirenena nahavita lalana betsaka sy lavitra indrindra raha tsy Ravalomanana. Tsy nisy filoham-pirenena nampifaninana tantsaha amin’ny resaka voly vary koa hatramin’izay raha tsy izy. Raha mbola nitohy ny fitondrana Ravalomanana, araka ny fanazavany dia afa-pahasahiranana tamin’ny resaka vary sy sakafo ny Malagasy. Tsy manana olana amin’ny firesahana sy fandresen-dahatra ireo mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena i Marc Ravalomanana, hoy ihany i Leriva Manahirana. Koa manoloana izao izao firenena efa tena latsaka amin’ny kizo izao, latsaka lalina loatra dia tsy misy kandida ankoatra an-dRavalomanana hahavita hanarina an’i Madagasikara.

Raha olom-baovao ankoatra an’i Dada, hoy ihany i Leriva dia tsy maintsy mbola hozahan’ireo mpamatsy vola toetra, toy izay efa natao an-dRavalomanana taorian’ny 2002. Hiteraka fahatarana indray eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana izany raha olon-kafa no ho eo. Raha Ravalomanana kosa anefa, hoy izy avy hatrany dia tsy hiandry an-taonany isika fa avy hatrany dia mandeha ny asa. Nanentana ireo mpiara-dia aminy hiasa koa ity depioten’i Brickaville teo aloha ity, satria adidy goavana ny hampandany an’i Marc Ravalomanana. Manomboka izao ny fifandresen-dahatra eny amin’ny fiarahamonina, hoy izy.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT