Na teo aza ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy be kintana eo anivon'ny foloalindahy mikasika ny fisamborana na ny tsia ny filoha Marc Ravalomanana dia manizingizina ny jeneraly Ravalomanana Richard fa hosamborina ity filoham-pirenena lanim-bahoaka farany ity.
Omaly no nilazany izany tamin'ireo mpanao gazety izay nantontany azy tamin'ny finday. Nilaza ihany koa ny tenany fa ho rakotra mpitandro ny filaminana eny Ivato amin'ny sabotsy. Ity manamboninahitra jeneraly nivoaka tao amin'ny andiany faha-13 tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe ity, araka izany, no sahy hanome baiko hampisambotra ny filoha Marc Ravalomanana. Nolazainy mantsy fa hatramin'izao dia tsy mbola misy didim-pitsarana manafoana ilay didy fampisamborana ity filoha teo aloha ity nivoaka taona vitsy lasa izay taorian'ny raharam-pitsarana nahakasika azy.
Etsy andaniny dia hita ho malefaka ihany ity jeneraly ity raha nilaza fa miankina amin'ny baikon'ny manampahefana ihany ny zava-misy. Iny didy fampisamborana nataon'ny Fitsarana iny, hoy izy dia manatanteraka no anjaranay. Raha ny zava-misy eo anivon'ny foloalindahy indray dia tsy vitsy ireo miaramila manamboninahitra no efa leo tanteraka ny zava-misy amin'izao fotoana izao. Ny toe-tsaina misehoseho izay ataon'ny manamboninahitra sasany no voalazan'izy ireo fa miteraka olana eo anivon'ny Tafika. Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ny jeneraly Ravalomanana Richard fa vonona ny hampiasa ny fitaovana rehetra eo am-pelatanan'izy ireo amin'ny sabotsy. Ho hita eo avokoa izany rehetra izany.
Titan
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.