Politique

Marc Ravalomanana Hopotehina hatramin’ny farany…


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Mazava ny zava-misy amin’ny fikatsahana hamotika an’i Marc Ravalomanana mba tsy hirotsahany hofidiana filoha amin’ny 2018. Dradradradraina fa efa nosazian’ny fitsarana ny tenany, ka tsy afaka ny hirotsaka hofidiana.

 

 Fitsarana mahefa ve no nitsara azy ? Maloto ve ny “Casier judiciaire” ? Tsy misy afera intsony eo anivon’ny “cours d’appels” ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy ny mpisolovava Hanintra Razafimanantsoa omaly. Tsy misy fitsarana hatao na zavatra hatao ka hikitihana ny dosieny, raha ny fanazavan’io mpisolovava io, manoloana ny endrika fanasoketana azy sy ny mpomba azy amin’ny raharaha vaovao dia ny fahaverezana dosie tao amin’ny fitsarana. Ny hoe zavatra very dia boky mirakitra didim-pitsarana maro be, tamin’ny 2010, ka ao anatin’izay ny didy navoaka momba ny olona lazaina fa nanao heloka bevava tafiditra ao anatin’ireo didim-pitsarana ireo. Mety ho olona liana fa tsy voatery ho ny filoha Ravalomanana fa atao fitaovana sorona indray ny filoha teo aloha, ka inona no tiana hiaviana, hoy izy. Sinema daholo ny zavatra atao, hoy hatrany ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Manomboka mihalalina ny fanenjehana, ka ny kaontin’i Marc Ravalomanana any amin’ny Banky, dia nogiazana. Efa mandeha ny resaka amin’ny hanagiazana ny fananany manontolo, mba handemena azy.

Azo antoka ny fahalaniany

Ny tsy azo lavina dia olona manana ny maha izy azy sy tsy azo ihodivirana eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Voasokajy ho manana toerana tsara indrindra raha resaka fankafizan’ny vahoaka. Porofo iray mitohaka amin’ny tenda, ary tsy azo hiadian-kevitra ny voka-pifidianana tamin’ny taona 2013. Tsy hiverenana intsony ny resaka hoe lany ny kandida notohanany fa natsimbadika noho ny resaka hala-bato sy mikimaky ny vokatra. Nitarika tamin’ny elanelan’isa lavitra be tamin’ny fihodinana voalohany. Ny fihodinana faharoa kosa dia nambara fa 46,51% ny vato azon’i Jean Louis Robinson, raha toa ka 53, 49% no azo’ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina. Mbola sesitany tany ivelany i Marc Ravalomanana tamin’ireny, saingy tsy arakaraka izay ny voka-pifidianana. Eto Madagasikara izy ankehitriny ary efa nisy ny fidinana ifotony nihaonana tamin’ny vahoaka, ka izay aleha mankasitraka sy manantena azy avokoa. Tsy mila tambiny ara-bola toy ny fanaon’ny sasany io fa foto-kevitra sy faharesen-dahatra tsy azo hozongozonina hoe iny rangahy iny no nahavita sy mbola hahavita ny firenena. Mety samy nanana ny hadisoany ny mpitondra, saingy ny asa vita sy ny fandrosoan’ny firenena no hifampitsarana. Tsy sanatria natao hanaovana tsinontsinona ny hafa fa raha mirotsaka sy havela hirotsaka an-kalalahana i Marc Ravalomanana ary mangarahara ny fifidianana dia tsy sarotra ho azy ny mibata ny fandresena. Ny fanjakana ankehitriny kosa na ny olona nifidy azy aza dia efa azo antoka fa 10% raha be indrindra no mety hiverina handrotsa-bato. Lojika ny hanakanana an-dRavalomanana, saingy tsy azo tsinontsinoavina ihany koa fa manana ny paikadiny izy, fa tsy sanatria olona badraodra amin’ny resaka politika. Hitondra filaminana eto amin’ny firenena ve ny fanakanana azy tsy hirotsaka ?


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT