Politique

Marc Ravalomanana Hody afaka herinandro ?


  • Alarobia 29 Aogositra 2012

Araka ny fanapahan-kevitr’ireo filoham-panjakana teo anivon’ny SADC sy izay voasoratra ao amin’ny sori-dalana niarahan’ireo mpanao politika nanao sonia dia mody tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra, anisan’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Ny fihaonana tany Maputo Mozambika farany dia nametraka fa tokony hohamafisina ny biraon’ny SADC eto an-toerana hanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana. Hisy ihany koa ny tombana hataon’ny SADC momba ny fampodiana an’i Marc Ravalomanana. Araka ny vaovao marim-pototra dia efa nisy iraka tonga teto. Tsy re feo fa tonga mangingina teto amintsika izy ireo nanao izay tombana sy nijery ny zava-misy izay. Araka io loharanom-baovao ihany dia nangataka fihaonana tamin’ireo tomponandraikitry ny filaminana gasy izy ireo fa tsy nety nandray sy nihaona tamin-dry zareo vahiny ireo ireto farany. Nisy ihany anefa solontena avy amin’ny foloalindahy afaka nifampiresaka tamin’ireo iraky ny SADC.

Anisan’ny vaovao azon’izy ireo teto amintsika ny hoe jeneraly 25 no tsy manaiky ny fodian-dRavalomanana, misy koa manamboninahitra hafa toy ny kolonely izay tsy fantatra mazava ny isany. Raha ny vaovao ihany dia efa nanao fehin-kevitra tamin’ny iraka nampanaovina azy ireo io iraky ny SADC io. Tsy fantatra moa na mbola eto izy ireo amin’izao na efa lasa, tsy fantatra ihany koa raha mbola hisy andiana iraka hafa indray satria ato anatin’ny 30 ka hatramin’ny 60 andro no nolazain’ny SADC fa hanaovana io tombana io.

Fa tetsy andanin’izany, asa raha fifandrifian-javatra fa nilatsa-bava ny avy amin’ny ankolafy Zafy omaly, raha nandaha-teny tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka fa manana finoana ingahy Fidison fa hody i Dada. «Mety ho amin’ny herinandro izany», hoy izy. Tsy nisy nanamafy na nanda izany filazana tsy nahy izany moa ireo nandaha-teny taoriany. Ny azo inoana kosa anefa dia hiteniteny fahatany izany ny tenany, ary raha ny hita koa dia efa tsy dia mametraka sakana firy amin’ny fiverenan-dRavalomanana ny filohan’ny FAT sy ireo mpanara-dia azy. Ny ho avy moa no hamantarana misimisy kokoa izany.

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT