Tafatsangana avokoa ankehitriny ny rafitra anaty tetezamita araka izay voasoratra ao amin’ny tondrozotra, ilay lalan-tokana ivoahana amin’ny krizy, ny fianianan’ny filohan’ny FFM omaly no namarana tanteraka izany. Mivoaka tsikelikely ny anaran’ireo nahazo famotsoran-keloka, mbola ho avy ny manaraka, heverina fa hanomboka koa ny famoahana ireo gadra politika. Teboka iray sisa no tsy tanteraka dia ny fodian’ny ampahany amin’ireo sesitany politika an-kalalahana.
Miditra an-tsehatra ny SADC
Vao miresaka izany dia mby ao an-tsain’ny maro avy hatrany ny momba an’Atoa Marc Ravalomanana, sesitany politika nandritra ny efa-taona tatsy Afrika Atsimo, in-droa efa saika hiverina an-tanindrazana saingy voasakan’ny NOTAM navoakan’ny fitondrana FAT foana. Tonga eo amin’ny kihon-dalana iray lehibe tsy azo ialàna intsony ankehitriny ny rehetra dia ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny andininy faha 20 ao amin’ny tondrozotra. Zava-poana ihany mantsy ny dingana rehetra amin’ny fampihavanana kasaina hatao raha toa ka misy teratany malagasy, olobe eto amin’ny firenena, hailika na avakavahana. Hiondrana any Afrika Atsimo anio ny solontenan’ny ankolafy Ravalomanana eto an-toerana, hidinika lalina amin’ny filoha teo aloha mandritra ny roa andro. Tsy maintsy hisy ny fanapahan-kevitra hentitra horaisina aorian’izay. Mifanindran-dalana amin’izay dia ho avy eto Madagasikara koa Atoa Leonardo Simao sy Joaquim Chissano. Ity farany no voatondro hitarika ny asa fanelanelanana eto amintsika. Efa ela no tsy nahitana azy ary azo vinaniana fa misy antony lehibe ny fahatongavany eto Antananarivo. Maro no mihevitra fa hamita ny dingana farany amin’ny asa fanelanelanana natombony ingahy Chissano, dia ny fanatanterahana ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, milaza ny fodian’i Marc Ravalomanana, izay efa naverimberin’ny fivoriana an-tampon’ireo filoham-panjakana ao amin’ny SADC fa tokony hotanterahana. Samy mahafantatra ny rehetra fa ny fanatanterahana io andininy faha-20 io no sarotra indrindra sy tena nila fotoana maharitra, tsy azo natao maimaika, fa kosa tsy maintsy tanteraka mialoha ny fifidianana.
Afaka andro vitsy ?
Efa nisy ny tombana nataon’ny SADC tamin’ny fodian’i Tojo Ravalomanana, Lalao Ravalomanana, Sarah Ravalomanana. Nisy fifanarahana tao anatin’ireny, voahaja izany ary tsy nisy ny korontana. Raha hitsiana ny resaka dia fitsapana ny halalin’ny rano ireny ary efa tandindon’ny fiverenan’i Dada. Tsy any amin’ny fidinana an-dalambe na tolom-bahoaka eny amin’ny kianjan’ny 13 mey intsony izao ny adihevitra fa fifidianana, ary mba samy te handray anjara amin’izany ireo vondrona politika mihevitra azy ireo fa manana adidy amin’ny firenena. Tsy maintsy mihatra 100% anefa ny tondrozotra mialoha izany, hialana amin’ny alahelo sy ny lonilony sy hirosoana tsikelikely any amin’ny fitoniana. Misy sahady ny efa manombana fa mety ho tonga eto Madagasikara ato anatin’ny herinandro Atoa Marc Ravalomanana, mety ho tafara-dia amin’ireo delegasion’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fiverenan’izy ireo, afaka roa na telo andro mihitsy aza, hoy ny resaka mandeha hatry ny omaly. Izy rahateo dia tokony handray anjara mivantana amin’ilay dinika fampihavanana karakarain’ny FFKM manomboka ny alakamisy 18 aprily ho avy izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.