Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny dinika nifanaovan’ny filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny Fat tany Seychelles sy ny zava-nitranga teny Ivato ny zoma tolakandro lasa teo dia ny nandroahan’ny teo anivon’ ny fiadidian’ny Fat an-dRtoa Lalao Ravalomanana raha tonga teto an-tanindrazana ny tenany.
Tsy niandry ela fa ny sabotsy teo dia niditra nivantana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka sy tany Antsirabe i Marc Ravalomanana naneho ny heviny manoloana ireo. Raha nandeha ny resaka tany Seychelles dia nifanaiky ny roa tonta fa tsy asiana mpanao gazety ary tsy tokony hisy mipika ny dinika atao, hoy izy. Araka ny fanazavana ihany dia samy naneho ny fahavononany hikaroka izay mahasoa ny firenena ny roa tonta, samy hametraka ny hambom-po ka dia nisy ny fanantenana sy ny fifampatokisana. Tsy ampy 24 ora anefa dia nivadika zavatra hafa, hoy i Marc Ravalomanana raha ny zava-nitranga tamin’ny zoma lasa teo nahakasika ny fodian’ny vadiny teny Ivato no jerena. Nifampiresahana tany Seychelles manko, hoy ihany i Marc Ravalomanana ny hodian’i Lalao Ravalomanana aty an-tanindrazana ary nifanarahana fa hiditra mangina ity vadiny fa tsy hiantso olona hitsena azy fa ireo tena akaiky ihany no hanotrona azy amin’ izany. Efa fantatry ny taty Madagasikara ihany koa ny anaran’ ireo mpandeha rehetra tamin’ ny sidina Air Link ary dia tsy nisy nametraka olana ny amin’izany, kinanjo moa dia tsy araka izay ny zava-nisy, araka ny fanazavana ihany. Nambarany fa fanitsakitsahana ny zo maha olona sy maha Malagasy ireny satria zon’ny teratany Malagasy ny mivezivezy eo amin’ny taniny ary tsy azo sakanana fa tsy maintsy ampidirina amin’ny taniny izy.
Raha hiverenana ny momba ny dinika tany Seychelles dia anisan’ny nifampiresahan’ny roa tonta koa ny zavatra niseho ny 21 janoary 2011, nanakanana azy tsy hiditra aty Madagasikara. Nambaran’ ny filohan’ny Fat fa ho fiarovana ny ain’i Marc Ravalomanana no nanaovany ireny ary dia nilaza koa izy fa niaro mandrakariva ny zanak’ i Marc Ravalomanana sy ny fananany. ‘Tsy hanao ankilabao iny dinika tany Seychelles iny aho. Tsy hanaiky tambazana vola koa na inona na inona. Aza matahotra ianareo fa tsy maintsy hipoitra ny marina ary voaporofo izay tena milaza ny marina sy izay manamboatra sy manadio tena ka ho hitan’ny havany eo izay mamafy lainga ’, hoy ihany Marc Ravalomanana tamin’ ireo mpomba azy. “Avelao koa ny vahoaka hitsara amin’ ny alalan’ ny fifidianana izay olona tiany hitantana ny firenena”, hoy ihany izy.
Nohamafisin’ny filoha Ravalomanana fa miainga amin’ny tondrozotra isika izao izay eken’ny rehetra sy ny vondrona iraisam-pirenena. Io no lalana tokana hivoahana amin’ny krizy. Manaraka izay dia ny hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary eken’ny rehetra ka tsy asiana sakantsakana ny filatsahana hofidiana ka izay lany eo dia lany ary manaiky ny rehetra, hoy ihany Ravalomanana izay nanamarika fa tokony ho ny fianakaviambe iraisam- pirenena no hanomana sy hikarakara ary hanara-maso izay fifidianana izay. Fantatra araka ny tenin’i Marc Ravalomanana fa dia hihaona tsy ho ela amin’ ny filohan’ny vaomieran’ ny vondrona Afrikanina, Rtoa Zuma ny tenany hanao karazana tatitra amin’ny raharahan’i Madagasikara ary dia mbola hihaona ihany koa amin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ ny Sadc.
Soa/ Caius Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.