Politique

Marc Ravalomanana Ho avy masiaka amin’izay


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Nanomboka hita sy niseho vahoaka indray i Marc Ravalomanana ny 8 martsa lasa teo, rehefa tsy dia tazana firy taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

 

 

 

 Efa fidirana amin’ny tena fikatrohana ara-politika na « rentrée politique » no andraisan’ny maro an’iny. Mafana rahateo ny fiomanana amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny tohiny no azo handikana izany. Vao nanomboka ny resaka fifidianana depiote, dia nisy ny fihaonana samihafa nataony tamin’ny tanora, mpikatroka anatin’ny TIM,… nifanakalozan-kevitra sy nifanomezana toromarika amin’ny dingana manaraka hatrehina. Ny resaka antontan-taratasin’ireo kandida dia saika mila ny sonian’i Marc Ravalomanana avokoa, izay midika fa tena ao anatin’ny fikatrohana tanteraka izy amin’izao fotoana izao. Tsy kandida fahatany ny kandidan’ny TIM, fa misy ny fanofanana samihafa, indrindra fa ny resaka lalàna raha ny nambaran’ny Talen’ny fampielezan-kevitra nasionaly Rabenja Tsehenoarisoa. Ny 25 janoary nandritra ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teny Tanjombato raha tsiahivina, dia efa nilaza izy fa betsaka ny zavatra miandry toy ny fanomanana ny fifidianana izay ho avy: solombavambahoaka, ben’ny tanàna,… Miasa miaraka amin’ireo tapaka sy namana nanatevin-daharana ny K25, izay nisaorany manokana.  Hamafisina ny fiarahana, ka ny zavatra takiana dia mba handeha araka ny tokony ho izy ao anatin’ny mangaraharaha ny fifidianana solombavambahoaka ka ny tena safidim-bahoaka no hivoaka eo, hoy izy tamin’izay fotoana izay. Hitsinjo ny vahoaka Malgasy amin’ny lafiny rehetra no tarigetra, ka raisina an-tanan-droa ireo vovonana, hery politika, olon-tsotra,… te hanamafy orina ny TIM.K25 satria misokatra amin’ny rehetra io, hoy ny antso avo efa nataony. Mazava fa hiverina an-kianja tanteraka izy, indrindra fa amin’ny fampielezan-kevitra, ka ho avy masiaka araka ny fitenin’ny tanora.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT