«Aza matahotra minoa fotsiny ihany». Anisan’ny teny voalohany nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana an-telefaonina nivantana indray io andalan-tenin’ny soratra masina efa nahazatra hatramin’izay io, ankoatra ny fiarahabana nahatratra ny taona nataony ho an’ireo vahoaka an’aliny maro mpomba azy tonga niara-nikorana teny amin’ny “Place de l’amitié” Amboanjobe tamin’ny sabotsy 09 febroary teo.
Ho taona hivoahantsika amin’ny krizy ity 2013 ity, hoy izy. Ho taona hanarenantsika ny fampahantrana ny Malagasy ary hamerenantsika indray ny fampandrosoana an’ity firenena mamintsika ity. Fotoanan’ny firaisankina izao, hoy izy. Fotoana hiaraha-mientana ary fotoana fiomanana amin’ny fifidianana. Tsy hisy anefa ny fitoniana sy fandriampahalemana tadiavintsika raha tsy misy fifamelana. Raha tsy mitovy hevitra tsy maintsy mifandefitra. Hajao tsara ny ambaratongam-pahefana rehetra sy fifampifehezana. Tsy misy anefa fanapahan-kevitra raisina raha tsy avy amin’i Dada. Raha sendra mangingina aho, aza gaga, fa miasa fatratra andro aman’alina aho ho an’i Madagasikara. Aza taitra amin’ny fanenjehana sy fanatsatsoana ataon’ny mpanjanaka na koa fandrangitana.
Tsy maintsy atambatsika ny hery fa mijaly loatra ny vahoaka. Mahatoky ny Troika-SADC sy ny Vondrona Eoropeanina, ny Etazonia, Aziatika … isika. Ataovy am-pahendrena sy am-panajana ny teny avoaka. Aza manao izay manafintohana ny hafa. Tsy maintsy mamerina ny fifanarahana amin’ny iraisam-pirenena koa isika. “Modia, modia, modia”, hoy ny hiakiakan’ireo vahoaka teny Amboanjobe nanapaka izany fanazavana rehetra izany. “Aza matahotra”, hoy ny valin-teny azo nivantana an-telefaonina ihany avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana, “fa tsy ho ela dia ho avy aho. Aza matahotra fa tsy maintsy mody i Dada. Ho avy ny fotoana hilazako ny fahatongavako sy ny fitsenana ahy”. Ho avy i Dada hitondra fandriampahalemana. Mikasika izay fodiany izay indrindra, fantatra fa tany Mozambika i Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo nifampidinika amin’ny mpitondra mozambikanina, mpikambana Troika-SADC, mikasika ny daty hodiany an-an-tanindrazana. Midika io fa afaka mivezivezy malalaka i Marc Ravalomanana fa tsy nogiazina ny pasipaorony.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.