Nateti-piavy ny fidiran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny antso an-telefaonina tao Antsirabe taorian’ny namoahan’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny fankatoavana ny filatsahan-kofidian’ny kandidŕn’ny Ankolafy Ravalomanana ny zoma 03 mey lasa teo.
Ny sabotsy 04 mey indray mantsy dia nanamafy ny fanohanana tanteraka ny fampandaniana an’i Neny ny tenany nandritra ny hetsiky ny Zanak’i Dada tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe. Nambarany fa andro lehibe io sabotsy 04 mey io satria nampisehoana an’i Neny voalohany teny an-kianja (Magro Behoririka). Notateriny ho an’ny vahoakan’i Vakinankaratra fa izy ihany no kandidàntsika, hoy izy ary efa vonona amin’izany i Neny ka tsy misy atahoran’ny mpitolona izany.
Nambarany fa tokony hiomana amin’ny fandraisana azy indray Antsirabe satria hidina hitafa mivantana amin’ny mpitolona amin’izay izy ka teny ho resaka politika amin’izay no ataony amin’izany. Aza adinoina, hoy hatrany ny filoha Marc Ravalomanana fa akaiky ny fonay ny vahoakan’i Vakinankaratra noho ireo tantsaha sy olona marobe manana fahaiza-manao sy niara-niasa taminy hatramin’izay ary mendrika ny fanohizana izany. Nolazainy fa fantatr’i Neny tsara Antsirabe sy i Vakinankaratra ka amin’ny fahatongavany dia inoana fa ho vaky tanteraka Ankaratra. Nohamafisin’ny filoha Marc Ravalomanana fa efa misy ny paik’ady manokana hampandaniana an’i Neny ka ny ho «1er tour » ihany no tanjona. Mila manaraka tsara ny toromarika omena ny mpitolona fa tsy hisy izany «2ème tour» izany eo, hoy hatrany izy nanamafy. Mbola nohamafisiny fa tsy ho ela dia ho tonga izy handrindra izay paik’ady izay ka amin’izay no hanazavany tsara ny fomba enti-miady. Tsikaritra moa fa dia manomboka feno indray ny kianjan’i Magro Avaratsena taorian’ny fahafantarana fa anisan’ireo hifaninana amin’ireo kandidà 40 i Neny, ary efa vonona ny vahoakan’Antsirabe amin’ny hetsika rehetra mandritra ny fampielezan-kevitra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.