Politique

Marc Ravalomanana Ho avy ary ho kandida filoham-pirenena


  • Talata 23 Aogositra 2011

Nandritra ny hetsiky ny Vondron’Olontsotra tany Belo Tsiribihina sy Morondava ny faran’ny herinandro teo no nanamafisan’ny filoha Marc Ravalomanana an’izany, raha nanontany azy ireo vahoaka tonga maro tamin’ireo hetsika in-droa miantoana ireo.

 Tao Belo Tsiribihina ny sabotsy 20 aogositra, nitohy tao Morondava ny alahady 21 aogositra. Sambany no nisy hetsika toy izao tao Belo raha fanindroany kosa ny tao Morondava ; midika io fa sahy mijoro ny olona amin’iny Faritra Menabe iny, na eo aza ny teritery sy ny fampihorohoroana ara-tsaina mihatra amin’izy ireo. Namela malalaka ny olona hilaza ny manahirana azy sy hanonantany izay zavatra manitikitika azy Atoa Marc Ravalomanana, raha niditra an-tariby nivantana avy atsy Afrika Atsimo, tamin’ireo fihaonana roa ireo. Ny tsy fandriampahalemana, ny fanaparam-pahefana, ny fitotongan’ny fihariana sy ny sosialy indrindra ny fahapotehan’ny fiainana ara-piarahamonina no tena mampitaraina ny Vahoaka tamin’ny alalan’ireo solontena nandray fitenenana. Nahavelom-bolo sy namelona fanantenana amin’izy ireo anefa ny teny nataon’ny filoha Marc Ravalomanana nanome toky fa “hiverina tsy ho ela eto an-tanindrazana ary manamafy fa mbola vonona ary hilatsaha hofidiana”.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT