Nandritra ny fotoana fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny Zanak’i Dada tao Ambositra ny faran’ny herinandro teo no nilazan-dRalaiseheno Guy Maxime, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fa tanjona tsy maintsy tratrarina ato ho ato ny hahatafaverina ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Antenaina fa mialoha ny alakamisy 18 aprily izao ny fahatongavany eto, hoy ity Filohan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara ity, mba hiatrika ilay fihaonana fampihavanana hataon’ny FFKM amin’io daty io ny tenany satria tsy mbola manana kandida hatolotra ho Filoham-pirenena ny Tiako I Madagasikara hatramin’izao fa miandry azy.
Efa tafody avokoa ny vady aman-janaky ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy hatrany Ralaiseheno Guy Maxime ka tsy sarotra fa azo atao tsara ny mampody an’i Dada eto. Vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra ho avy ny antoko Tiako I Madagasikara nefa mila ampiharina ara-dalàna ny tondrozotra izay lalàna velona mamatotra antsika, satria tsy mbola misokatra ireo haino aman-jery nakatona, mbola maro ireo gadra politika ary tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ireo natao sesitany politika. Nanamafy moa ny tenany fa ny ankolafy Ravalomanana dia tsy vaky na mitriatra fa miasa miaraka hatrany hatramin’izao.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.