Politique

Marc Ravalomanana “Hitarika olana goavana ny fanakanana ahy”


  • Sabotsy 30 Desambra 2017

Namerina indray omaly Atoa Marc Ravalomanana fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany ary hitarika olana goavana ny fanakanan’ny fitondrana azy tsy ho kandida amin’io taona ho avy io. Tsy hipetra-potsiny ary tsy hanaiky izany fanakanana ahy izany ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), hoy izy ka aoka tsy hanao sangy ratsy.

Tsy nisorona ity filoha teo aloha ity nilaza fa efa tena tsy mety ary tsy zakan’ny vahoaka intsony ny fahalafosan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana eto Madagasikara. Manampy ny fahoriana ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, mibanaka ny sisin-tanin’i Madagasikara satria tsy ampy ny fanaraha-maso ary tsy misy ny paikady mahomby hiadiana amin’ny trafika isan-karazany. Nahatsidika distrika tsy latsaky ny 80 amin’ireo 119 misy eto Madagasikara hatramin’ny niverenana an-tanindrazana 3 taona lasa izay i Marc Ravalomanana. Fijerena ifotony ny zava-misy iainan’ny Malagasy sy fifampiresahana amin’ny olona mba hahafahana mamantatra ny olana fototra avy eo mikaroka ny vahaolana no nataony. Fantatro tsara ny zava-misy eto, hoy hatrany izy ary matoa aho nanapa-kevitra ny ho kandida dia manana vahaolana mahomby ary tsara kokoa noho ny efa nampiharina teto ary hita fa nampiarin-doha ny toekarem-pirenena sy nanatsara ny fiainan’ny Malagasy nandritra ny 7 taona (2002 – 2009). Etsy an-kilan’izay tsy mahatoky ny fitondrana HVM ny mpamatsy vola sy ny ankamaroan’ireo mpiara-miombon’antoka noho ny gaboraraka sy ny kolikoly. Maro loatra ireo dosie nanaratsy endrika ny fitondrana tetezamita sy ny fitondrana Rajaonarimampianina toy ny trafikana boaderozy, sokatra, volamena sy ny asan-dahalo, fanondranana omby an-tsokosoko sy resaka fakana an-keriny mpandraharaha vahiny izay maro no mizaka ny zom-pirenena frantsay. Efa mazava fa i Marc Ravalomanana no atokisan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ireo na tandrefana (Amerikanina, Frantsay, Alemana) io na tatsinanana (Sinoa, Japoney, Indianina, Aostralianina…) satria nilamina sy nirindra kokoa ny asa teto fony izy filoham-pirenena, ary nandritra ny naha sesitany aza dia tsy nitsahatra ny nifampiresaka tamin’ireo mpiara-miasa vahiny ireo izy.

“Tsy mampihetsi-bolo-maso ahy”

Momba ny fihaonanan’ny vondrona parlemantera Tim amin’ny Praiminisitra dia nambarany fa izahay ato amin’ny Tim dia samy manana ny andraikiny avy, misy hoy izy ny filohan’ny vondrona parlemantera ary izy no afa mahatapaka ny fanapahankevitra izay atao any. Raha misy dinika amin’ny praiministra dia miverina any izy. Tsara rehefa misy dinika, nanao ezaka be ny praiministra izay no tadiavina hoe hisian’ny fifampidinihana amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Momba ny fanenjehan’ny fitondrana ny tenany dia nambarany fa sambatra izay henjehana noho ny fahamarinana. Tsy manao zavatra diso aho na kely aza, mandanjalanja tsara ny zavatra teneniko aho, hoy i Marc Ravalomanana. Raha romotra amiko ny minisitry ny serasera dia lazao azy fa tsy mampihetsi-bolomaso ahy izany na kely aza , tsy izy akory no hampihemotra ahy amin’ny zavatra ataoko. Ny olona atahorana no sakanana sy hanaovana antsojay, ary tena hampidi-kizo firenena fanindroany eto ny HVM amin’ny 2018 raha mikasa ny hanilika amin’ny fomba an-kolaka na mivantana an’i Marc Ravalomanana.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT