Hafaliana no nandraisan’ny vahoakan’Antsirabe ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy 31 martsa lasa teo.
Efa elaela ihany rahateo no tsy nisy ny fitafana nivantana toy izao taminy sy tamin’ireto vahoaka ireto. Hentitra ny filoha Ravalomanana nanamafy fa raha ny tenany dia tsy mila izany amnistia izany ka “tsy tokony hiroaroa saina ny vahoaka Malagasy”. Anisan’ny fanazavana nomeny moa ny filazana fa na ny lalàmpanorenana malagasy aza dia milaza fa tsy misy fitsarana mahefa mitsara filoham-pirenena voafidim-bahoaka fa fitsarana manokana no misahana izany ka “tsy misy dikany akory iny fitsarana iny”, hoy ihany izy nanamafy. Notsahiviny ihany koa fa matoa nanao sonia ny tondrozotra dia noho ilay andininy faha-20 milaza ny fodiany tsy misy fepetra fa tsy misy ankoatra izay. “Madio ny eritreritro sy ny saiko”, hoy izy tamin’ireo asa fanasoavana marobe nataoko ho an’ny vahoaka malagasy ka “tsy hitako izay ilako amnistia”.
Ela no nijalian’ny vahoaka malagasy tao anatin’izay krizy telo taona izay, hoy izy, ka tonga ny fotoana hanarenana azy. Ny mahamaika izao dia ny famerenana ny olona ao anatin’ny asa sy ny fivelomany am-pilaminana, fanarenana sy famerenana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hafa ny omaly fa izao dia “mila mandini-tena ny tsirairay. Mila mijery izay fomba hivoahana haingana amin’izao krizy izao ary ny vahoaka no tokony ho tsimbinina”. Nambarana ihany koa fa matoa izy tsy re na ninia nangina tao ho ao dia famelany ireo mpikarakara mba hiasa malalaka nandritra ny fandalavon’ny SADC farany teo.
Fa tao Toamasina, dia ny nitaona ireo mpomba azy hanambatra ny hery hahafahana miatrika ny ho avy i Marc Ravalomanana, raha niditra an-tariby nandritra ny hetsika tao amin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy teo. “Mila miray hina tsara isika manomboka izao ahafahantsika miatrika ny fifidianana ho avy”, hoy izy. Nohamafisiny fa “tsy mila io famotsoran-keloka io aho, satria sady tsy nangalatra tamin’ny Malagasy aho no tsy namono ny Malagasy mpiray tanindrazana amiko. Ireo milaza azy ho mpitondra nanongam-panjakana sy ireo mpiara-dia aminy voasazin’ny fitsarana, no mila izany, nefa isaorana ny SADC sy ny mpahay lalàna Malagasy ary ny governemanta iraisana ankehitriny namolavola azy io ho antoky fitoniana hidirana amin’ny fifidianana marina sy mangarahara”.
Fa fanambarana goavana ary nahafaly ireo mpomba azy tao Toamasina ny nilazan’i Marc Ravalomanana fa “tsy maintsy hirotsaka hofidiana aho amin’ny fifidianana ho avy eo. Aleo ny Malagasy no haneho marina ny safidiny amin’izay tiany hitondra azy amin’ny tena fampandrosoana sy fahafahana marina eto amin’ny fireneny. Ho hita eo amin’izay ny tena tian’ny olona sy nahavita ratsy ho an’ny firenena sy ny Malagasy ary ny tena tia tanindrazana marina”. Koa nanafatra ireo mpomba azy izy, izay nilazany fa “mifamela sy mifanaraha ary mihavana ianareo izay manana olana ao anatin’ny ankolafy mpiara-dia amiko. Tsy andron’ny fisamatsamahana sy adiady na disadisa intsony izao, fa andron’ny fifamelana sy fihavanana ary fiarahana ao anatin’ny fifankatiavana tena izy sy marina”. Na tao Antsirabe na tao Toamasina dia nanamafy ny filoha Ravalomanana fa tsy maintsy ho avy an-tanindrazana ary tsy misy hahasakana azy amin’izany. “Milamina ny saiko sy ny eritreritro mikasika ny asa nataoko ho an’ny Malagasy sy ny fampandrosoana nentiko ho an’ny fireneko”, hoy hatrany i Marc Ravalomanana namarana teniny sy nankahery ireo mpomba azy.
Caïus R. sy Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.