“Hisaorana Andriamanitra fa nitahy nahazoana ny fandresena”. Izay no teny voalohany nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana raha nitafa tamin’ny vahoaka tany Alaotra izy ny tolakandron’ny sabotsy 17 septambra teo
Nahitsy ny teniny nilaza fa tsy i Joaquim Chissano na Leonardo Simao ireny ka azo langolangoina fa Troika. Troika izay iraka manokana avy amin’ny SADC ahitana ny minisitry ny raharaham-bahiny Afrika Atsimo, Tanzania ary Zambia tonga nandamina manokana ny olana politika teto Madagasikara. Rehefa tsy voavidim-bola izy ireo dia haingana ny fomba fiasany. Nambarany fa hisy fihaonany manokana amin’ireo mpikambana amin’ny Troika amin’ity herinandro ity izay hamaritana ny fomba fiverenany an-tanindrazana indray. Faly aho, hoy ny filoha Ravalomanana Marc, fa afaka ny hifanatri-tava amin’ny Malagasy rehetra indray ary afaka mandray anjara amin’ny politika. Ho avy i Dada, hoy izy ka hiasa hiaraka isika. Nitondrany fanazavana ny mahakasika ilay tetezamita voarakitry ny tondrozotra. Nambarany fa tsy maintsy ao anatin’io tetezamita io avokoa ny mpanao politika lehibe rehetra, anisan’izany ny mpanara-dia azy. Aza matahotra, hoy izy, fa tsy maintsy hapetraka sy fehezina tsara ny zavatra tokony hatao. Tamin’ny alalan’ny hiakam-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka sy ny fikambanana Vondron’Olontsotra any Alaotra io resaka mivantana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana tany an-toerana io.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.