Politique

Marc Ravalomanana Hiatrika ny fifidianana isika


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Misaotra sy midera an’Andriamanitra lalandava isika satria izy no mandahatra ny zavatra rehetra. Amin’ny anaran’ny tenako manokana sy ny fianakaviako, amin’ny anaran’ny TIM K25

 

 

 sy ireo mpanohana maro manerana ny Nosy no hanolorako fisaorana mitafotafo anareo Malagasy tsy ankanavaka nifidy sy nanohana ahy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Mankasitraka tamin’ny fihetsika mendri-piderana nasehonareo nandritra ny fampielezan-kevitra, tamin’ny fotoam-pifidianana ary taorian’ny valim-pifidianana, hoy ny hafatra avy amin’i Marc Ravalomanana tao anatin’ny taratasy fisaorana mitondra ny datin’ny 21 janoary 2019. Misaotra eram-po eran-tsaina anareo ny tenako satria dia napetratsika ho laharam-pahamehana ny tombontsoa ambonin’ny firenena ary nanome ny ohatra tsara holovain’ny taranaka faramandimby dia ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanajana ny tany tan-dalàna mba tsy hampiditra an’i Madagasikara ao anaty kirizy politika indray. Nisy tokoa anefa ny tsy fahamarinana, betsaka ny tsy lavorary tamin’ny fikarakarana iny fifidianana iny ary nandiso fanantenana antsika ny didy nivoaka kanefa dia nohajaintsika tanteraka ny soatoavina Malagasy izay mifototra amin’ny fihavanana sy ny firaisankina. Nohajaintsika ihany koa ny soatoavina Repoblikanina. Nambarany fa hanome hery lalandava azy amin’ireo ezaka fikatsahana izay hahasoa ny firenentsika sy ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ny fitokisan’ny vahoaka azy. Manentana ny rehetra tsy ho kivy fa hitraka lalandava hatrany ary hanefa ny adidy tandrify ny tsirairay ary koa hitondra ny anjara biriky hampandrosoana ny firenena ny tenany. Manentana antsika mpiara-dia rehetra ihany koa amin’ny fiatrehana ny fifidianana isan’ambaratongany izay ho avy tsy ho ela dia ny fifidianana Solombavambahoaka, Ben’ny tanàna sy ireo hafa rehetra. Entano dieny izao ny mpiara-monina hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana izay efa nisokatra nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana desambra 2018, hoy i Marc Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT