Politique

Marc Ravalomanana “Hiasa sy hanasoa ny Malagasy isika”


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

Fotoan-dehibe ho an’i Marc Ravalomanana mianakavy sy ny TIM.K25 ny omaly 25 janoary teny amin’ny Magro Tanjombato nentina nitondrana am-bavaka sy nifampiaharahabana noho ny taona vaovao 2019.

 

 Nahazo fampaherezana maro be izy ary nanao izany tamin’ny rehetra satria nisy ny latsa-dranomaso, ary nisy mihitsy no namoy ny ainy satria tsy nifanandrify tamin’ny zavatra nantenaintsika sy nosainintsainintsika ny didy nivoaka, saingy fitsaran’olombelona ihany ireny, fa tsy fitsaran’Andriamanitra, hoy izy. Nanaiky ny voka-pifidianana izy hanehoana amin’izao tontolo izao fa tsy ny toerana maha filoha no mahamaika satria  toerana ifandimbiasana sy ifandeferana ary ifanohanana  izany. Natao ihany koa mba hisorohana ny ady an-trano sy ialana amin’ny korontana lavareny ary indrindra hanehoana ny fahavononany hikatsaka ny fampihavanam-pirenena tena izy ny tenany. Tokony hatsahatra miaraka amin’ny vava noho izany, hoy i Marc Ravalomanana ny fanenjehana sy fampitahorana ary indrindra ny fanagadrana noho ny hevitra tsy mitovy. Nasiany teny tamin’izany ireo namana niara-dia tao anatin’ny fifidianana izay voaantso teny amin’ny fitsarana omaly. Tapitra ny fetran’ny fandeferana raha ny fampitahorana sy ny fampihorohoroana na ny fanagadrana no hatao eto, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana. Hanohy ny adidy amin’ny fiainam-pirenena ary tsy ho kivy na hilavo lefona ny fa hanao izay azo hatao mba hahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra tandrify azy i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia. Betsaka ny zavatra miandry toy ny fanomanana ny fifidianana izay ho avy: solombavambahoaka, ben’ny tanàna,… Miasa miaraka amin’ireo tapaka sy namana nanatevin-daharana ny K25, izay nisaorany manokana. Tonga nanotrona ny fotoana rahateo ny ankamaroan’ireo hery politika samihafa niara-dia tao anatin’ny fifidianana filoha, raha tsy hilaza afatsy ireo kandida tahaka an-dry: Fanirisoa Ernaivo, Eliana Bezaza,…  Hamafisina ny fiarahana, ka ny zavatra takiana dia mba handeha araka ny tokony ho izy ao anatin’ny mangaraharaha ny fifidianana solombavambahoaka ka ny tena safidim-bahoaka no hivoaka eo. Miantso ny CENI hijery ny lesoka sy hanitsy ireny fa tsy homba ny atsy na ny aroa. Toy izany ihany koa ny ao amin’ny governemanta sy ny fitondram-panjakana. Eo anatrehan’ny mety mbola hanaovan’ny mpikarakara fifidianana sy ny mpanoaka didy araka izay hitsin’ny lohany sy izay tiany hatao, dia nazava sy nahitsy ny tenin’i Marc Ravalomanana fa misy fetrany ny fandeferana. Hitohy fiaraha-miasa ary fahatsiarovana lehibe ilay TIM niaingana sy ny K25 izay niraisan’ny rehetra. Hitsinjo ny vahoaka Malgasy amin’ny lafiny rehetra no tarigetra, ka raisina an-tanan-droa ireo vovonana, hery politika, olon-tsotra,… te hanamafy orina ny TIM.K25 satria misokatra amin’ny rehetra io. Manentana hatrany ny vahoaka hanara-maso sy hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT