Ny ampitso nivoahan’ilay nolazaina fa fehin-kevitry ny Troika-SADC dia nanazava ny zava-nisy tany Cape Town ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
y Troika-SADC dia nanazava ny zava-nisy tany Cape Town ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Manana zavatra goavana holaizana amin’ny vahoaka sy ny iraisam-pirenena momba ny zavatra nitranga marina taty Afrika Atsimo aho, hoy izy raha nitafa an-tariby nivantana tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 11 mey teo. Tapa-kevitra ny ankolafy Ravalomanana, hoy izy fa hiroso amin’ny fifidianana mba tsy hilazana fa vato misaka amin’ny fivoahana amin’ny krizy. Ka dia niroso tamin’iny fivorina taty Afrika Atsimo iny, ary tao i Neny (Lalao Ravalomanana) no voahosotra ho kandidà. Tsy izaho no nanolotra azy, averiko indray, hoy Atoa Marc Ravalomanana, fa ny fivoarina no nanapaka izany ary adihevitra goavana ny namoaka an’i Neny ho kandidà.
Mahatsiaro manana andraikitra koa i Neny ary tsy hihemotra amin’izany koa izy. Tsy ny ankolafy Ravalomanana na ny vahoaka no matahotra fifidianana, hoy izy nanohy. “Maninona isika no afaka tany amin’ny CES raha tsy mety ny antontan-taratasy natolotr’i Neny? Tsy afaka tany isika raha tsy ara-dalana ny antotan-taratasiny. Ny sasany ve no tsy mitazona ny teny nomeny, tsy ara-dalàna dia ny hafa no hizaka ny vokany? Tamin’ny 12 desambra 2012 aho no nilaza fa tsy hilatsaka hofidina aho ary nanaja izany ary mbola manamafy fa tsy hilatsaka aho, na dia kivy sy mangidy amin’ny vahoaka aza izany. Nanao izany koa ilay iray, ka ren-tany ren-danitra izany ary noheverina fa izay no mety. Azy ny azy rehefa tsy nanaraka ny teniny izy, fa isika tsy hanaiky ny fanalana ny filatsaha-kofidin’i Neny ary mahavita iny, tsy hidera azy aho fa mahay iny”, hoy hatrany Atoa Marc Ravalomanana.
Nisy tokoa ny fivorin’ny Troika taty Cape Town, hoy ity farany. Samy naneho ny alahelony ny mpivory rehetra hoe nivadika tamin’ny teninareo ianareo. Tsy azo ivalozana anefa ny fanapahan-kevitry ny CES satria io no tompon’andraikitra faratampony sady farany. Efa manaiky ny CES dia izay, hoy ny filoha Ravalomanana. Rehefa izay dia nokianiny ho nanao tatitra diso i Joaquim Chissano. Ity farany no nambaran’ny filoha teo aloha, fa nanao ilay fangatahana voalohany ny tokony hisintahan’ireo kandidà telo. Izaho moa akaiky toerana ka dia nampanantsoina, hoy Atoa Marc Ravalomanana. “Nolazaiko fa mahavita zavatra ny vadiko”, hoy izy. Nanamafy ny filoha teo aloha fa “tsy nisy fanapahan-kevitra nivoaka tao Cape Town ary mifanipaka tanteraka amin’ny fehin-kevitry ny CPS sy ny lalam-pifidianana izany. Rehefa eken’ny CES dia izay no vita fa mitsabaka moa ny Renimalala. Lasa any Dar Es Salam mihitsy ny mpanolotsaiko, hiresaka amin’ny filoha Tanzaniana Jakaya Kikwete.
Tsy misy dikany iny ambara fa fehin-kevitra voizin’ny sasany nivoaka tao Cape Town iny ka ataontsika toy ny tsy misy ary tsy misy hanala filatsahan-kofidiany izany fa aleo ny vahoaka no hitsara ary tsy hiteraka korontana ny maha kandida an’i Neny. Manana zo feno hifidy izay tiany ny Malagasy ary tsy azo terena. N° 2 ve dia esorina? Tsia !” Marina ny zavatra resahako ry vahoaka Malagasy sy ny iraisam-pirenena ary rehefa miteny aho hoe : tsy hilatsaka aho dia tsy hilatsaka tokoa ny tenako. Mahafantatra ny tokony hataoko aho ka mino fotsiny ihany, fa tsy avelan’Andriamanitra tsy hiseho ny marina”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.