Maizina ny hoavin’i Madagasikara ary miaina ao anatin’ny fahasahiranana sy ny fitaintainan-dava ny vahoaka Malagasy.
Aiza ve ka misy ny olona voatery miala ny tokantranony ka matory any an-tsaha sy any anaty ala noho ny tahotra ny dahalo, hoy i Marc Ravalomanana nandritra ny fihaoanany tamin’ireo diaspora Malagasy sy Tiako i Madagasikara sampana Frantsa sy Eoropa tany Paris ny sabotsy 21 oktobra lasa teo. Efa tena maika sy dodona ny olona hahita ny fahazavana ary vonona aho ny hitarika azy ireo amin’izany, hoy i Marc Ravalomanana izay mbola nanamafy ihany ny maha kandida filoham-pirenena azy amin’ny 2018. Tsy tonga hanakiana ny mpitondra ankehitriny aho, saingy tsy maintsy milaza ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana ary manolotra soso-kevitra sy tetikasa hanavotana ny firenena. Zavatra tsy maintsy jerena akaiky ny fahasalamana sy ny fandriampahalemana satria mampikaikaika ny olona. Notsipihiny fa mila mifanampy sy mifanohana ihany koa ka atomboka amin’ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana sy ny fahazotoana mandeha mandrotsa-bato rehefa tonga ny fifidianana. Aoka hifanentana isika fa zava-dehibe io fifidianana io. Mbola zava-dehibe ihany koa ny fifanampiana ara-pitaovana sy ara-bola amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Mila mandray andraikitra ny Malagasy mipetraka aty ampitan-dranomasina amin’ny fandresen-dahatra ny Malagasy ny maha zava-dehibe ny fifidianana, izay fomba demokratika hakana ny fahefana. Manana anjara toerana goavana amin’ny fanarenana ny firenena ianareo Diaspora Malagasy ka andao hiara-kihetsika fa vitantsika miaraka ny fanarenana an’i Madagasikara, hoy izy. Nanamafy izany ireo tompon’andraikitry ny TIM any Frantsa ary nanome toky ny fanohanan’izy ireo an’i Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena amin’ny 2018. Tsy nisalasala ihany koa ireo mpikambana TIM any Frantsa nilaza fa mahafeno ny fepetra hitantana sy hanarina ny firenena ny filoha Ravalomanana izay mahalala tsara an’i Madagasikara, manana fandaharanasa mifandraika amin’ny zava-misy, mahay mikaroka vola ary afaka mifampiraharaha tsara amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena kanefa sahy mijoro miaro ny tombontsoan’ny Malagasy. Efa niaraha-nahita ny zava-bitany, fantatra ny mbola fahavononany fa anjarantsika mpifidy sisa ny mandany azy amin’ny isam-bato mavesatra, hoy ireto mpikambana amin’ny Tiako i Madagasikara Frantsa ireto. Fomba fijery izay eken’ny olona maro na tsy mpikambana TIM aza, indrindra fa rehefa hita ny fomba fintantanana sy fiasan’ny mpitondra nifandimby teto nanomboka tamin’ny 2009.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.