Mandalo ao Toamasina nanomboka ny alarobia teo ireo mpitarika ny “Tolon’ny Vahoaka Malagasy”, tarihan-dRatolojanahary Maharavo na i Doudou sy pastera Edouard Tsarahame ary ireo sendika sy fikambanana ara-politika maro mivondrona ao anatiny.
“Navoakan’Atoa Marius Fransman taminay sy ny olona nihaona taminy avokoa ny tena marina rehetra mikasika ny fihaonana teo amin’ny filoha Ravalomanana sy ingahy Rajoelina tany
Nanazava Atoa Ratolojanahary Mahavaro fa “raha tsy mahatsapa isika fa efa tsy mety intsony izao zava-misy iainantsika izao, dia hifamono eto isika samy Malagasy ny farany. Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no nahatonga izao krizy izao noho tsy fandraisany ny andraikiny hatrany am-boalohany. Mbola azo sorohina izany raha milaza ny tsy fifanarahan’ny lalàmpanorenana sy ny tondrozotra ny HCC, dia rava ho azy izao fitondrana tetezamita izao, ary hatsangana ny tena fitondrana tetezamita tsy miandany sy tena ara-dalàna araka ny lalàna”.
“Avelao hilatsaka ireo te hilatsaka rehetra fa ny Malagasy no misafidy izay tena tia tanindrazana marina hitondra azy. Ireo tsy lany kosa amin’izay mahaiza mipetraka avy eo”, hoy hatrany izy ireo. Ny pastera Edouard Tsarahame aza nilaza fa “ny governemanta aza efa rava satria efa nahantona ny minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy mamonjy fivoriana koa ny avy amin’ny ankolafy Rajoelina. Koa inona izany no mbola mampijoro an’io governemanta io ?”. Fangatahan’ny “Tolon’ny Vahoaka Malagasy” koa ny hampiatoana ny fanangadrana “mora” sy ny didy jadona “manara-penitra” ary ny fangalarana ny haren’ny Malagasy. Ankoatra izay, dia nanapa-kevitra izy ireo fa hisy ny fandraisana fepetra isam-paritra ka ny tsy famonjena asa ho an’ny mpiasam-panjakana, ny fanamafisana ny tolona efa natao ho an’ireo sendika mitokona, ary ny fidinanana an-dalam-be raha ilaina no atao tsy ho ela.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.