Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Raha nanamafy ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nivory tatsy Maputo Mozambika ny 17-18 aogositra teo, fa mody tsy misy fepetra eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana ary raisina ny fepetra rehetra hiarovana azy dia mazava izao fa manao izay fomba rehetra tsy hahatanteraka izany ny FAT ary dia tandindomin-doza tanteraka ny tondrozotra ankehitriny.
Tondrozotra izay efa neken’ireo ankolafy politika rehetra fa hamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy ary nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary koa nambaran’ny praiminisitra ampahibemaso fa hany mibaiko azy na “patron”, io tondrozotra ankehitriny no tadiavin’ny sasany viraviraina. Tsy nivilivily ry zareo Afrikanina tatsimo, tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’ny masoivohony eto ny herinandro lasa iny, nanondro ny mpitondra amin’izao fotoana ho manosihosy io tondrozotra io. Ny zava-misy anefa, misy olon’ny lalàna ao Afrika Atsimo ao manao izay hisakanana an-dRavalomanana tsy hody.
Taorian’ilay fitoriana nataona andian’olona ao amin’ny AV7 an’Atoa Marc Ravalomanana, handoavan’ity farany ny onitra nangatahan’izy ireo noho ny raharaha 7 febroary 2009, mantsy dia namoaka “ordonnance” ny lehiben’ny fampanoavana ao Pretoria (Afrika Atsimo), tamin’ny alalan’i David Erleigh ny 7 septambra teo, mandrara an’Atoa Ravalomanana tsy hahazo hiala an’i Pretoria ary koa hisintona ny pasipaorony tsy hahazoany mivezivezy, didy izay raha tsorina dia mametraka an’Atoa Marc Ravalomanana amina toerana arahi-maso na “résidence surveillée”. Voalaza moa fa hoe naniraka olona hifofo ny ain’i Andry Rajoelina sy ireo mpitondra ambony miaraka aminy, hono, ity filoha teo aloha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.