Omaly tolakandro no nigadona an-tanindrazana ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nihazo an’i Afrika Atsimo.
Delegasiona nahitana ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Razafimanantsoa Hanitra, ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot, ny minisitry ny fambolena Ravatomanga Roland ary ny minisitry ny varotra Ramalason Olga. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita dia nifototra tamin’ny raharaha anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) izay noforonin’i Marc Ravalomanana ny dia tany. Manomboka eto, hoy i Mamy Rakotoarivelo dia ny filoha Ravalomanana no mitarika ny TIM. Izy rahateo efa tsy filoham-pirenena intsony ka manana ny fotoana ho amin’izany, araka ny fanazavana ihany. Anisan’ny antoko nanana ny maro an’isa ny TIM, kanefa asa raha noho ny goragora tao anatiny na ny tsy fahaziana politika dia naniry elatra maro.
Raha tsiahivina dia i Jacques Sylla no mpikambana sady lohandohan’ny mpisorona tao amin’ity antoko ity namadika palitao voalohany sahy niseho vahoaka ka nisafidy ny niara-dia tamin’ny TGV teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny taona 2009. Nanara-dia azy ny parlemantera TIM 40 mahery ary anisan’ireo manizingizina sy mivoy fatratra ilay hoe “ni..ni”, tsy hilatsahan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ireo mpikambana sasany nisintaka tao amin’ny TIM. Hiverina hitondra ny TIM, araka izany, i Marc Ravalomanana. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana sy ny fiomanany hiroso amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena izany. Izy rahateo efa nilaza ampahibemaso fa hirotsaka hofidiana. Momba ny fodiany eto an-tanindrazana indray dia nambaran’i Mamy Rakotoarivelo fa dia miandry ny valin’ny tombana hataon’ireo iraky ny SADC izany.
Mikasika ny resaka niely fa lasa nandositra any Swaziland i Marc Ravalomanana sy ny ankohonany dia nambaran’i Mamy Rakotoarivelo fa “lainga tanteraka” izany satria hatramin’ny 21 janoary 2012, nomoahan’ny FAT “NOTAM” nanakanana ny fodiany an-tanindrazana ka hatramin’izao dia ao amin’ny hotely Sheraton ao Afrika Atsimo ny filoha Ravalomanana mianakavy no mipetraka mandra-podiny aty Madagasikara, ary ny governemanta afrikanina atsimo no mandray an-tanana izay fampiantranoana azy izay. Nampian’i Mamy Rakotoarivelo fanazavana, fa nomen’i Afrika Atsimo pasipaoro afrikanina tatsimo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay midika fa mizaka ny zom-pirenena afikanina tatsimo, saingy nisafidy ny hijanona ho Malagasy ny tenany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.