Politique

Marc Ravalomanana « Hanarina ny firenena isika »


  • Talata 03 Janoary 2017

« Efa manana ny ampy aho ary mahalala onona…ny hanampiana ny Malagasy no antony namerenana indray ny Tiko AAA »

.Izay no fanambarana nataon’i Marc Ravalomanana teny Faravohitra omaly nanoloana ireo mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny Tiko AAA, ny Tiako i Madagasikara sy ny CUA ary ny solotena avy amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo renivohitra.Fihaonana, fifampiarahabana ary firarintsoa narahana fanomezana noho ny asaramanitry ny taom-baovao 2017 no anton’ny fihaonana omaly ; tonga nirary soa ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviana ireo mpiara-miasa no sady nanamafy ihany koa ny fihavanana.Mbola namerina indray i Dada omaly fa kandida ny tenany amin’ny 2018 ary tsotra ny tanjona dia ny fanarenana ny firenena, fanampiana ireo mpiray tanindrazana sahirana.Tsy fitiavam-bola sy harena velively no mahatonga ahy ho kandida fa tena fanampiana ny mpiara-belona sy ny miray tanindrazana hoy i Marc Ravalomanana.Fanamafisany ny efa nambarany hatrizay ihany moa izany, afaka niaina milamina tany ivelany izahay saingy niverina nody an-tanindrazana noho ny fahatsapana fa mbola manana adidy amin’ny firenena, hoy hatrany ny firesany.Mazava ny resaka eto fa tsy hihemotra ary tsy hanaiky mora foana ny tetika mety hanilihana azy amin’ny fifidianana ho avy manaraka eo i Marc Ravalomanana, niantso ireo mpiara-miasa sy mpiara-dia aminy moa izy mba hifanara-tsaina sy hahay hiray hina hatrany ary hiasa.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT