Ambohipihaonan’ny mpikatroka ao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara na TIM sy ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny eny amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy anio 11 desambra, ka nasaina manokana ireo ben’ny tanàna rehetra manerana ny Nosy lany tamin’ny anaran’ny Antoko TIM.
Ny sabotsy lasa teo nandritra ny fampahafantarana ny hanokafana “Box” hifampitam-baovao sy hahafahan’ny rehetra manamarina ny anaran’ny anaty lisi-pifidianana no efa nisy ny fanentanana momba ny hetsika roa sosona satria ankoatra ny eny amin’ny FOFIKRI anio, dia hankalazaina rahaampitso 12 desambra ny tsingerin-taona faha-68 taonan’I Marc Ravalomanana, ka hisy ny fety sy korana mifandraika amin’izany, izay marihina fa eny amin’ny Magro Tanjombato no hanamarihana azy io. Mikasika ity tsingerin-taona ity, dia tsy nanaiky ireo mpikatroky ny Magro, fa mba ho fanehoam-pitiavana sy fankasitrahana hatrany ny filoha teo aloha, dia nanao tsipaipaika mba hividianana zavatra ho atolotra ny filoha Ravalomanana. Andrasan’ny rehetra kosa ny fanambarana miezinezina ataon’i Marc Ravalomanana, izay inoana fa hifantoka betsaka amin’ny raharaham-pirenena, toy ny resaka fifidianana, ny fihombonam-po amam-pahany hatrany amin’ny vahoaka Malagasy,... Mety ho kihon-dàlana lehibe ho azy sy ny Antoko TIM ary ny tontolo politika eto Madagasikara manontolo ny fanambarana hataony, ka olona an-tapitrisany maro no miandry ny zavatra hotenenin’i Marc Ravalomanana, fa tsy ny mpanotrona eny Ankadikely sy eny Tanjombato ihany. Tsy hay kosa na fifandrifian-javatra na niniana natao, fa anio 11 desambra ihany koa no daty nambara hitsarana ny raharaha 07 febroary 2009 izay sokajian’ny maro hoe hoenti-manasoketa sy manaratsy an’i Marc Ravalomanana fotsiny satria ho avy ny fifidianana atsy ho atsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.