“Raha ny fizotry ny fandaminana dia mialoha ny 26 jona 2014 no tonga an-tanindrazana i Marc Ravalomanana”, hoy i Zafilahy Stanislas, omaly, tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.
Manaja ny fandaminana ary miandry ny pitsopitsony isika, hoy izy nanohy ny fanazavana satria isika tsy handefa an’i Dada any amin’ny abatoara. Sanatria ! Fantatry ny iraisam-pirenena rahateo fa tsy ananam-piry izany i Marc Ravalomanana izany. Vao ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika sy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena ihany koa no niala fa mbola eny ny olona napetrak’izy ireo. Efa zava-dehibe na izany aza ny valin-tenin’olon-kendry nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy zandarimariam-pirenena mikasika ny fodian’i Dada fa “politika izany fa tsy an’ny miaramila”, hoy hatrany i Zafilahy Stanislas nanoloana ny vahoaka mpitolona etsy amin’ny Magro.
Andraikitra lehibe no nomen’i Dada sy Ivohasina Razafimahefa hampitambatra ny mpikambana Tiako I Madagasikara fa tsy ratsy avokoa ireo diso lalana.
Nanamarika ny fotoana omaly ny fahatongavan’i Guy Rivo Randrianarisoa tao an-kianja nisaotra ny vahoaka mpiara-mitolona. “Ianareo Magro no niaviako ka tonga hisaotra aho”, hoy izy. Marihina fa voafidy ho Kestora fahatelo, mpikambana eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena i Guy Rivo Randrianarisoa, ity farany izay solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5, Antananarivo Renivohitra amin’ny anaran’ny Movansy Ravalomanana.
Hiaraka hiasa amin’ny rehetra isika, hoy izy, ary tsy haka olom-baovao fa Raharinavalona Mamy Mamonjy, izay Talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, ihany no ho talen’ny kabinetrany ary hiaraka hiasa amin’ireo mpikamban’ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha hampody haingana an’i Dada, hampisokatra ny MBS sy Radio Mada, hanomana ny fiatrehana ny fifidianana hazahoana ny Kaominina maro an’isa indrindra. Andraikitra lehibe no nomen’i Dada sy Ivohasina Razafimahefa, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa, dia ny hampitambatra ny mpikambana Tiako I Madagasikara fa tsy ratsy avokoa ireo diso lalana. Hatao ny kongresin’ny antoko, hoy izy.
Teo am-pamaranana dia nanamafy ny tenany fa tsy ho ela ny fodian’i Dada raha ny fanarahany an’ilay mpisolovava afrikanina tatsimo Brian Currin, iraka tonga teto nandritra herinandro nifampidinika tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa manomana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara am-pilaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.