Mitohy sy miha avo lenta hatrany ny teti-dratsy hanimbana ny ho avy politikan’i Marc Ravalomanana. Atao avokoa ny fanapotehana sy fanagiazana ny fananany, fanosoram-potaka,… satria efa manakaiky ny fifidianana. Kotrehina indray ankehitriny ny fanamafisana ny fampiadiana azy amin`ny Foloalindahy, izay efa natomboka tamin’ny fanonganam-panjakana tamlin’ny 2009.
Ekena fa mety nisy ny tsy nety tamin`ny fitantanana tamin`ny fotoan’andron`ny filoha Ravalomanana, ka anisan`izany ny tsy dia fiandaniana tamin’ny Foloalindahy. Efa nitsotra i Marc Marc Ravalomanana tao anatin’ny horonantsary fanadihadiana “Return of a president”, fa tsy dia nametraka ho laharam-pahamehana be loatra ny tafika ny tenany, ary tsy dia mitombina loatra ny hoe haompana amin’izany ny 30 hatramin’ny 40% amin’ny tetibolam-panjakana, hoy izy. Nosy I Madagasikara, ka tsy manana fahavalo avy any ivelany na hoe handeha hiady, raha ny nambarany. Io no isan’ny nohararaotina natao fitaovana nenti-nampahomby ny fanonganam-panjakana, ka nambara fa tsy miraharaha ny tafika i Marc Ravalomanana. Tsy hoe nanangan’ady anefa, fa laharam-pahamehana kokoa ho azy tamin’izany ny fananganana fotodrafitrasa, ny fampianarana, ny fampandrosoana ny eny Ambanivohitra. Tiana ny mbola hivohy io fampiadiana io hatramin’izao, ary amporisihina mafy hiady amin’i Marc Ravalomanana sy terena hankahala azy ny mpitandro filaminana na taiza na taiza nalehany: Mahamasina, Toamasina, Tolagnaro,… Nanomboka ny taona 2009 no toa nopotehina sy nozarina ho mpandray baiko ho mpiaro fanjakana be fahatany ny tafika. Nalaza ny fandehanan’ny Filohan’ny tetezamita matetika tamina toby iray teto an-drenivohitra satria hoe: ireo no tena nampiakatra azy teo amin’ny fitondrana. Zary manome endrika ratsy ny fianakaviamben`ny mpitandro ny filaminana ny filazana azy hoe: “herim-pamoretana” noho izay endri-pamotehana sy foto-pisainana noterena hiainany izay, dia ny ho mpiaro fanjakana be fahatany nanomboka tamin’ny tetezamita. Hatramin`ny rahoaviana no hanaiky hosorana fotaka sy hosoketaina ho mpiharo ny mpitondra tsy mahomby izy ireo?
Marigny A sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.