Nigadona ihany ity ny andro zoma 16 septambra 2011. Maro ny zava-boalaza sy voalahatra ho amin’ity anio ity. Ho an’ny mpitondra ny Fahefana avon’ny tetezamita (FAT), sy ireo vondrona politika nanao rangopohy ny sori-dalana dia hiroso amin’ny sonia azy io izy ireo anio.
Eo anelanelan’ny amin’ny efatra ora tolakandro ka hatramin’ny enina ora hariva, hoy i Andry Rajoelina, tao Ambohitsorohitra ny alatsinainy lasa teo. Nibahana io resaka sonia io omaly tontolo andro raha ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa nataon’ny mpanohana ny FAT, saingy tsy nisy fanamafisana ofisialy izany re na hita tamin’ny haino amanjerim-panjakana. Amin’ity anio ity koa no hifarana, na re aza mety hitohy hatramin’ny talata, ny asa tanterahin’ny iraky ny Troika taorian’ny fihaonana samihafa sy fandraisana tolokevitra na fanamarihana avy amin’ireo vondrona politika sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpitondra ny FAT mikasika ny fanitsiana ny tondrozotra. Nanamarika mazava anefa ny lehiben’ny delegasiona, dia ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena, fa tsy anatin’ny iraka tanterahin’izy ireo eto ny sonia. Hariva vao menafify teny amin’ny Le Paon d’Or Antanetibe Ivato omaly.
Taorin’ny nihaonan’ny delegasion’ny Troika tamin’i Andry Rajoelina teny Iavoloha, fihaonana izay naharitra ora roa teo nilazan’izy ireo fa hanampy ny Malagasy amin’ny fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy anatin’ny fanajana tanteraka ny fiandrianam-pirenena no anton-dian’izy ireo no eto, dia nandray tsirairay ireo ankolafy politika. Tao anatin’izany no nanamafisan’ireto iraky ny Troika ireto ny fotokevitra ankapobeny ifotoran’ny fanapahan-kevitry ny SADC dia ny fanajana fahalalahana fototry ny olom-pirenena sy fahalalahana manao politika. Tsy iadian-kevitra ny amin’ireo. Manaja tanteraka kosa ny maha izy azy ny firenena tsirairay mpikambana ao amin’ny anefa ny SADC, toy ny amin’ny lafiny ara-pitsarana. Rehefa izay dia nihaino ary nandray izay mety ho tolokevitra na fanamarihana, hanatsarana ny tondrozotra ny Troika. Samy nanana ny heviny ny vondrona tsariray avy. Teo am-pivoahana ny efitrano no nanamafisan’i Mamy Rakotoarivelo fa raha tazomina ho filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina dia takiana ho avy amin’ny Ankolafy Telo ny Praiminisitra hisian’ny fifandanjana eo anivon’ny mpanatanteraka, havaozina tanteraka koa ny andrim-panjakana. Havinirana kosa no hita nisoritra teny amin’ny endrik’ireo mpikambana ao amin’ny V10, nanao rangopohy ny sori-dalana raha nivoaka ny efitrano.
Tsy nety niresaka tamin’ny mpanao gazety fa nirintona ny ankamaroany. Raha io fihetsika io dia mety hiziriziry ka hiroso hanao sonia ilay sori-dalana vita rangopohy tamin’ny 09 martsa izy ireo anio, ary dia handray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany. Halina ihany dia efa nandeha ny feo fa misy NOTAM miainga indray any ho any, hanakanana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Misy ifandraisany amin’izany koa ve ny bemidina nataona andiana mpitandro filaminana teny amin’ny fanaraha-maso ny jono Ampandrianomby teny omaly. Nisy feo niely mantsy sao mandeha sambo Atoa Ravalomanana miditra eto. Baraingo ny hiseho anio, izay raha ny tokony ho izy dia mbola hitohy ny fihaonana amin’ireo iraky ny Troika ireto. Ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao, no niteny fohy efa ho tamin’ny misasakalina fa sori-dalana tokana ihany no haroso hamahana ny krizy eto Madagasikara.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.