Lanonana roa sosona no tontosa teny amin’ny Tiko Tanjombato omaly. Fankalazana ny andron’ny 12 desambra fahatsiarovana ny tsingerintaona nahaterahan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy fisokafan’ny tranombarotra
«Magro -AAA» tamin’ny fomba ofisialy niaraka tamin’ny fampirantiana ireo santionam-bokatra fampiasa andavanandro samihafa mampalaza ny orinasa «Tena Izy Ka Omeko» hatramin’izay toy ny menaka, dibera, fromazy, yaourt, ronono, zava-pisotro.
Tsy mialonjafy
Tarigetran’ny orinasa amin’izao fiverenany izao ny famokarana vokatra tsara sy mendrika ary mitsinjo ny fahasahiranan’ny vahoaka ao anatin’ny fahantrana, hoy ny Filoha Tale jeneralin’ny Tiko Ravalomanana Marc. Hiteraka asa marobe rahateo ny fiverenan’ny orinasa «Malagasy Grossiste- Triple A» eo amin’ny tsenan’ny varotra. Ho betsaka hiaraka amin’izay ireo mpiasa ho raisina eo anivon’ny orinasa. Hampisokatra ireo lalam-barotra isan-karazany toy ireo mpivarotra entana ambongadiny, ireo mpamatsy akora sy ireo mpitatitra vokatra ihany koa anefa ny fisokafan’ny «Magro-AAA» indray, hoy hatrany ny filoha mpanorina ny Tiko. Tsy mialonjafy izany hoe misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamokatra na mpamatsy entana rehetra eto Madagasikara moa ity orinasa manome lanja ny vita Malagasy ity, araka ny fanamarihan’i Dadavalo hatrany.
Hiverina hitondra
Tanjon’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc amin’ny fiverenana eo amin’ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana ny famelomana indray ilay tena hambom-pon’ny Malagasy. Tsy maintsy hampanjakana ny fifanajana sy fifampihainoan’ny mpitondra sy ny vahoaka ao anatin’ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa miaraka ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Soatoavina Malagasy izay rava sy nanjavona tanteraka noho ny fahoriana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.