Politique

Marc Ravalomanana “Hajao ny tany tan-dalŕna fa aza mambotry vahoaka”


  • Alakamisy 07 Aprily 2016

Variana mambotry ny mpiray tanindrazana aminy amin’ny fampiasana ny fahefana eo am-pelatanany fotsiny ny fanjakana foibe, hoy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Manimba tanteraka ny endriky ny fitondrana

 

Malagasy rahateo ireo fihetsika tsy refesi-mandidy mihatra amin’ny vahoaka hasehon’ireo mpiara-miasa akaiky sy manodidina ny filohan’ny Repoblika. Sakana voalohany amin’ny fampandrosoana ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny fanosihosena lalàna, indrindra raha ireo mpitondra tompon’andraikitra ambony tokony hanome ohatra tsara sy fakan-tahaka ho an’ny olom-pirenena no mampanjaka izany amin’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sy eny anivon’ny fiarahamonina. Tena mampalahelo ny tranga satria tsy mijanona ho lamba malotontsika irery intsony ny zava-misy fa efa mahalala ireo toetra mamohehatry ny manampahefana manimba ny fitantanana ny firenena ireo hatramin’ny iraka vahiny manan-kaja mandalo sy monina eto Madagasikara. Tsy mety amin’ny fitantanana firenena ny fanaovana ankamehana sy fanaovana tsindry hazo lena. Tsy misy afa-tsy ny fanajana ny tany tan-dalàna miaraka amin’ny fiarovana ny zo sy tombontsoan’ny vahoaka no lakile entina hampandroso an’i Madagasikara, hoy i Dada Ravalomanana.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT