Politique

Marc Ravalomanana « Haintsika ny mampidina io vidim-bary io »


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Ankoatra ny fanatrehany ny fanompoam-pivavahana fankalazana ny faha-150 taona niorenan’ny fiangonana Loterana Malagasy sy ny faha-500 taonan’ny Reformasiona tao Ambohitsimanova Betafo omaly alahady,

dia tsy nanadino nihaona sy nifampizara ny mamy tamin’ny vahoaka tany an-toerana Atoa Marc Ravalomanana. Nanao dia an-tongotra 3 km namakivaky tanàna izy mivady ary tomefy olona ny lalana nizoran’izy ireo. Maro ireo niantso hoe : “ mila anao izahay fa efa mafy loatra ny fiainana e ! Tao amin’ny kianja Malto Betafo no notanterahana ny lanonana tsotra ho fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahan’ity filoha teo aloha. Nandritra ny kabary nataony no nilazan’i Marc Ravalomanana fa hanangana firenena vanona miaraka amin’ny vahoaka Malagasy izy. Tsy resabe propagandy no ataoko, hoy i Dada fa kosa ambarako fa azo atao ny mampidina ny vidin’ny vary mampikaikaika ny Malagasy io. Tsy maintsy mianatra daholo ny ankizy, mahita asa ny tanora ary afaka mampidi-bola araka ny tokony ho izy ny ray amandreny. Mila manaraka fitsipika anefa isika amin’ny fanatanterahana izany, hoy i Marc Ravalomanana. Tsapa tamin’izao diany tany Betafo Antsirabe izao fa mbola mahazaka olona ity filoha teo aloha ity ary maro no manantena azy fa hanarina ny firenena amin’izao fahasahiranana goavambe izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT