Politique

Marc Ravalomanana Efa sasa-miandry ilay fihaonana amin-dRajoelina


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Nitafa nivantana an-tariby avy atsy Afrika Atsimo, ho an’ireo mpiara-dia aminy sy ny vahoaka Malagasy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy 16 jona teo raha tsy nandrenesam-baovao tao anatin’ny roa herinandro, noho ny dinika nifanaovany tamin’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC sy ny vondrona iraisam-pirenena, handaminana ny krizy eto Madagasikara sy ny ho fampihaonana azy sy i Andry Rajoelina.

 Samy nandre azy nivantana ny tao Antsirabe, Antananarivo ary ny tao Toamasina io sabotsy io. Ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny ray ny andro tamin’io. Nambaran’Atoa Ravalomanana tamin’izany fa mafy ny adidy miandry ny raim-pianakaviana tao anatin’izay telo taona mahery nambolen’ny sasany krizy teto Madagasikara izay. “Tsy misy ny asa, midangana ny vidim-piainana, manjaka ny tsy fandriampahalemana ary rava sy potika ny ankohonana noho ny olam-piainana andavanandro. Koa mankahery ny raim-pianakaviana rehetra amin’ny adidy masina sahaniny, ary aza mandraraka ilo mby an-doha mihitsy na mafy aza ny fiainana noho ny krizy, fa tsinjovy mandrakariva ny ankohonana.

Tsy maintsy ho avy ny fotoana hiaonantsika indray hanarenantsika miaraka ny firenena ary hanalantsika miaraka ny fahoriana mihatra amin’ny Malagasy», hoy Ravalomanana. Namafisin’ity farany fa tsy maintsy hisy ny fihaonany amin’ingahy Rajoelina io, handaminana ny krizy politika eto Madagasikara. Nilaza izy fa vonona ary efa sasa-miandry io fihaonana io mihitsy aza. “Tsy maintsy hody aho ary tsy misy hahasakana ahy amin’izany, ny fotoana fotsiny no tsy maintsy dinihina mba tsy hisy indray ny olana foronina, ka hilazana fa mpanakorontana Ravalomanana sy ny ankolafy misy antsika», hoy izy. Rehefa izay dia niantso ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana izy hanambatra ny hery. “Aoka mba tsy ho lefy ny herim-pontsika sy tsy ho resy tondromaso mihoatra ny ankolafy hafa ny ankolafintsika. Ny tonga miaraka hatrany mantsy no fanombohana, fa ny miasa miaraka no fahombiazana amin’ny hetsika sy ny fitakiana atao», hoy hatrany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana namarana ny teniny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT