Politique

Marc Ravalomanana Efa mitsinjo lavitra


  • Alatsinainy 12 Desambra 2016

Fety roa sosona ny an’i Marc Ravalomanana anio. Feno 67 taona katroka amin’ity 12 desambra 2016 mantsy ny tenany, ary anio ity ihany koa no hisokafan’ny tranombarotra Tiko “AAA”

eny Tanjombato taorian’ny nahamay sy nahapotika tanteraka izany vokatry ny krizy 2009. Efa in-droa voafidy ho filoham-pirenena i Marc Ravalomanana, dia ny taona 2002 sy ny taona 2006, saingy tratry ny fanonganam-panjakana ny 17 martsa 2009, ka nanao sesintany ny tenany tany Afrika Atsimo ary nisy nivavaka ny tsy hiverenany intsony. Tampoka tamin’ny rehetra ny fahatongavan’ia Marc Ravalomanana teto Madagasikara ny 12 oktobra 2014, nikoropaka hatramin’ny mpitondra. Nandray an-tanana ny antoko Tiako i Madagasikara izy taorian’ny fiverenany, ary nilofo tamin’ny fanarenena ireo orinasany potika ihany koa, ka roa taona taty aoriana dia izao iarahan’ny rehetra mahita fa efa manomboka miarin-doha izany noho ny fikirizany. Hitambatra izany ny fankalazana ireo fety roa sosona ireo, ka ho ambohipihaonan’i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa akaiky ary ny mpomba azy eny Tanjombato anio. Taorian’ny AAA-Tiko eny Behoririka dia ity eny Tanjombato ity izany no masoivohon’ny orinasany hisokatra eto an-drenivohitra. Hanomboka ho hita ireo vokatra nahafantarana ny orinasa Tiko fahiny, ary efa naranty nandritra ny hetsika ara-toekarena “Salon de l’Industrie” na SIM 2016 ny ampahany, toy ny zava-pisotro Classiko, fromazy, gilasy, dibera… Efa mitsinjo lavitra i Marc Ravalomanana ka fanambiny ny hampiodina tanteraka ny TIKO mialoha ny taona 2018, mba hisorohana ny mety ho fandotoan’ireo mpialona, rehefa tafaverina eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena izy, ka ho soketaina indray fa volam-panjakana no nanodinana ny orinasany. Vao ny herinandro lasa teo rahateo izy no nanambara fa fotoana sisa andrasana, sady ny Vahoaka rahateo efa dodona amin’ny famerenana azy.

Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT