Hatry ny omaly ka mitohy amin’ity anio ity dia midinika any Seychelles ingahy Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, araka ny tapaky ny SADC.
Tsy misy mpanao gazety malagasy moa any an-toerana, voafetra rahateo koa ny isan’ireo delegasiona avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy misy mipika ny resaka fa tombana sy vinavina daholo ihany ny an’ny rehetra. Raha niainga omaly ny filohan’ny FAT dia nampitsangam-bolo ny maro ihany ny lahateniny teny Ivato izay toa miaro fandranitana. Raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao manko dia anisan’ny mampiraikitra ny tetezamita ny tsy fisian’ny fiaraha-mitantana marina, ny fampiharana ilay sori-dalana ka ao anatin’izany ny fampiharana ny andininy manomboka eo amin’ny faha-16 ka hatramin’ny faha-20. Raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny mety hiverenan’ny filoha teo aloha sy ny ho filatsahan-kofidiana i Andry Rajoelina dia nilaza fa “hatramin’ny fotoana itenenany dia tsy manana zo hirotsaka hofidiana ny filoha teo aloha”. Tsy niandry ela fa nanao valy bontana avy hatrany ny tetsy amin’ny Kianjan’i Magro.
Nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno àry fa “efa ela no nahafeno ny fepetra amin’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana”. Efa voafidim-bahoaka ara-pomba demokratika in-droa miantoana izy, hoy Ralaiseheno izay nanamafy fa “na inona na inona horesahin-dRajoelina, rehefa tsy mody sy tsy milatsaka hofidiana Ravalomanana dia tsy hisy Madagasikara hilamina eto”. Fanapahan-kevitra goavana no tokony hivoaka any Seychelles, hoy kosa Ralainarivo Marcel, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.
Fahantrana sy faty olona no vokatry ny nataon-dRajoleina, hoy izy koa raha “mibilabila eo izy dia misaoty”. Araka ny fanazavany, na tiany na tsy tian’i Andry Rajoelina dia tsy maintsy hanaiky an-dRavalomanana hody eto izy. Aminy manko dia “Rajoelina no tsy tokony hirotsaka hofidiana fa nanongam-panjakana”. Nohamafisiny fa raha tsy tonga eto Ravalomanana dia tsy hisy filaminana na fifidianana eto ary dia mbola ho rava koa ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENIT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.