Fandresena miezinezina ho an’i Marc Ravalomanana sy ny Malagasy manontolo ny nahalany azy ho olon’i Afrika 2017, izay sambany teo amin’ny tantara. Fivoahan’ny vokatra amin’ny fomba ofisialy anio 05 janoary 2018 amin’ny 2ora tolakandro any Centrafrique sisa andrasana, fa ny fandresena tamin’ilay fifaninana “ALM Person of the year 2017”, karakarain’ny Gazety boky African Leadership Magazine kosa dia efa lasan’i Marc Ravalomanana ny tao amin’ny sokajy haitarika ara-politika na ny “Political Leadership” no nisy an’i Marc Ravalomanana nisy azy, izay 6 izy ireo no nifaninana.
Azo antoka fa isan’ireo hotolorana ny amboara lehibe any Johannesbourg Afrika Atsimo izy ny 24 febroary izao. Isam-bato manodidina ny 62% no nibatany ny fandresena, ka mpifidy manodidina ny 90000 no azony tamin’ny alalan’ny fifidianana tao anaty tranokalam-pifandraisana. Mitana ny laharana faharoa kosa ny filoha Kenianina Uhuru Kenyatta, izay nahazo ny 35% teo ho eo, ary nahazo vato manodidina 50 000. Manodidina ny 1% mahery kely kosa ny an’ny fahatelo sy fahaefatra, ary 0% mahery kely ny an’ny fahadimy sy fahaenina. Noporofoin’ny Malagasy sy ny vahiny, izay inoana fa maro ihany koa ny nandatsa-bato ho azy, fa olo-mendrika sy manana ny maha-izy ary mbola andrandrain’ny Malagasy hanavotra an’I Madagasikara i Marc Ravalomanana.
Azo ampiasaina sy trandrahina io anaram-boninahitra io
Efa mandeha kosa ny fanatsatsoana sy fanaratsian’ny ory hava-manana amin’izao fotoana izao hoe dia mitondra inona ho an’ny Malagasy sy ny firenena izany? Anaram-boninahitra goavana io eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny tontolon’ny diplomasia, ary tokony hanan’ny mpitondra eto Madagasikara satria isika firenena mbola tena mila ny fanampian’ny sehatra irasiam-pirenena. Tsy olonolom-poana no mahavita izany, ary tombodahiny ho an’i Marc Ravalomanana ny fahafehezany io tontolon’ny fifandresen-dahatra io, indrindra amin’ny mpamatsy vola. Hita taratra amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao hoe mitototo sy mitangirika vola etsy sy eroa ny mpitondra, saingy na tsy mahazo na zara raha misy hiviny kely, na mahazo ihany fa mila tambiny be, toy ny famarotana tanindrazana ankolaka. Iaraha-mahalala izao hoe ny filoha Malagasy no Filohan’ny Frankofonia, saingy tsy hainy angamba ny mampiasa izany mba ho tombotsoan’ny firenena, ka dia zary anarana fotsiny. Ho an’I Marc Ravalomanana kosa dia hainy ny nampiasa izany fony izy filoha, ary mbola voaporofo fa tena ilain’ny Malagasy izy, izay voaporofo fa mahafehy ny atao hoe “leadership” na tao anatin’ny 5 taona naha sesintany azy sy ny tsy naha filoha azy intsony aza, dia voafehiny sy tsy nivadika taminy ny mpanohana azy sy ny Malagasy, ary tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena izany Marc Ravalomanana izany. Tamin’ny androny no hany tafakatra 7,1% ny harin-karena teto Madagasikara, raha to aka 6,5% kosa tamin’ny ankampobeny ny tsara indrindra taty Afrika. I Madagasikara no firenena voasokajy ho lasa mamiratra indrindra tao anatin’ny 10 taona noho ny tetikasa Madagasikara am-perin’asa na ny MAP, ka na ny vahiny aza vaky vava sy niaiky an’I Marc Ravalomanana, saingy nopotehina izy. Tahaka ny ahoana ny mety ho fari-piainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao raha tsy nisy ny famotehana sy ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009? Mbola mametraka fanamby goavana sy vonona hampitombo avo 10 heny ny zavatra vitany i Marc Ravalomanana, araka ny nambarany tamin’ny tsingerin-taona nahaterahany ny 12 desambra 2017.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.