Mbola mitohy ny hetsika ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe na dia vita aza ny fifidianana fihodinana voalohany. Nisaoran’ireo mpitarika ny vahoaka mpitolona tamin’iny vokatra azon’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis ary nentanina ihany koa ny olona ho mailo amin’ny mety ho fivadihan’ny voka-pifidianana.
Raha ny fifidianana tao Antsirabe no tarafina dia mbola voaporofo indray fa tena mbola mamin’ny vahoaka tanteraka ny filoha Ravalomanana. Porofon’izany ny vokatry ny latsa-bato natao ny 25 Oktobra lasa teo ka nahazoan’ny kandidà izay notohanany fahombiazana. Mazava hatreto fa tena fanonganam-panjakana no nialany teto amin’ny fitondrana fa tsy hetsi-bahoaka leo ny fitondrany izany. Raha iny vokatry ny latsa-bato iny dia milaza fa tsy nakasitrahan’ny vahoaka Malagasy ny mpitondra tetezamita ary tsy tian’izy ireo ny hitondran’ireo intsony firenena Malagasy. Raha ny vokatra tao amin’ny Distrikan’Antsirabe Voalohany moa dia birao fandatsaham-bato niisa 118 amin’ireo 139 no nahazoam-bokatra ny sabotsy 26 oktobra lasa teo ka nitarika mazava amin’ny salan’isa 42,21% ny kandidà Dr Robinson Jean Louis ary ny kandidà Edgard Razafindravahy no nanaraka azy amin’ny salan’isa 21%, fahatelo ny kandidà Hery Rajaonarimampianina nahazo 8,54%, Hajo Andrianainarivelo nahazo 8,51% ary ny kandidà Camille Vital no laharana faha-5 nahazo 3,42%. Angamba mba tonga saina amin’izay ny mpanao politika amin’ny fizaran-javatra sy vola mandritra ny fampielezan-kevitra, satria dia raisin’ny olona ihany izany fa ny safidiny dia efa mipetraka mazava ka tsy voahodina izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.