Nampiato ny fampielezan-keviny ny Dokotera Robinson Jean Louis, kandida ho Filoham-pirenena Malagasy atolotry ny antoko Avana ary tohanan’ny ankolafy Ravalomanana, amin’ity alatsinainy 07 oktobra 2013 ity.
Izany dia ho fiaraha-miory tanteraka amin’ny fianakaviana Ravalomanana noho ny fodiamandrin-dRamatoa Razaiarivelo Helmine na Bebe Razay. Maro ireo tonga nidodododo teny amin’ny trano fonenan’ny filoha Ravalomanana mivady eny Faravohitra naneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana noho izao voina izao. Tsy nanavahana firehana politika na fiaviana na finoana izany. Omaly, ohatra, dia nifandimby tonga teny Faravohitra ry Ratsirahonana Norbert Lala, Ramakavelo Philippe, Mialy Rajoelina. Ny Malagasy rahateo tsy miady amam-paty. Fanirian’ny Malagasy ary fangatahan’ny Zanak’i Dada ny hamelana malalaka ny filoha Marc Ravalomanana ho avy an-tanindrazana hamita ny adidiny amin’ity ray aman-dreniny ity, ary hiatrika ny fotoana farany amin’ny fandevenana an’i Bebe Razay rafozam-baviny. Tsy tanteraka anefa izany na teo aza ny ezaka samihafa, satria dia mitsivalana hatramin’ny farany ireo tsy mataho-tody. Anio no hanaovam-beloma farany an’i Bebe Razay. Hiala ao Faravohitra ny nofo mangatsiakany, hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra eny amin’ny FJKM Ambohimanoa Alasora Betesda, mialoha ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohimandry, Distrikan’Arivonimamo.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.