Tsy diso anjara fitenenana hatrany ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny toerana rehetra anaovan’ny kandidŕ Robinson Dr Jean Louis fampielezan-kevitra. Tsotra ny azy ny hafatra dia ny fitaomana ny olona hanefa ny adidy amin’ny fifidianana amin’ny 25 oktobra izao.
“Miantso anareo rehetra hifidy ny tenako ho fampandaniana ny Dr Jean Louis satria izy izao no Favori”, hoy izy. Izy ihany no afaka mampody ny tenako ary afaka hanohy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Efa nolazaiko hatramin’izay fa isika tsy matahotra fifidianana izany, ary matoky tanteraka ny vahoaka Malagasy ny tenako hampandany ny kandidà Dr Robinson, hoy hatrany ny tenany. Raha vao vita ny fifidianana ka lany ny kandidàntsika dia ho tonga eto Madagasikara ny tenako, ary tsy ho ela intsony izany, hoy hatrany ny filoha. Tao anaty horakoraka sy hafaliana hatrany moa no nandraisan’ny Vahoaka tamin’izany tonga maro tamin’ireo toerana rehetra, ny tenin’ny filoha. Ity farany izay nitondra ny fialan-tsinin’i Neny noho ny fahoriana midona amin’ny fianakaviana, tamin’ny nahafatesan’i Bebe Razay.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.