Hiakam-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka marobe tonga teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo ny kabarin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby avy atsy Afrika Atsimo ny tenany.
Niaiky izy fa tsy azo tamin’ny fihodinana voalohany ny fandresena, saingy na izany aza dia tsy matahotra hiatrika ny fihodinana faharoa mihitsy ny ankolafy Ravalomanana ary sahy mifanandrina amin’izay kandida ho avy eo. Tsy adinony ihany koa ny nisaotra ireo mpiara-dia aminy sy ny vahoaka rehetra nanohana. Hoy indrindra Atoa Ravalomanana : “zava-dehibe loatra ity andro ity fa azoko nisaorana anareo satria niarahantsika nahalala fa tao anatin’ny fotoana fohy ary tampoka no nitenenako taminareo fa handray anjara isika, hanohana ny Dr Robinson dia izao no vokany ”. Midika izany, hoy izy fa matoky sy mino ianareo. Nambarany fa zava-dehibe loatra aminy, amin’ny firenena, amin’ny Malagasy rehetra ny fiverenana ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena na dia tsy vita aza ny dingana farany. Mazava izao, hoy i Dada fa voasakantsika tsy handeha ny mpanongam-panjakana satria mafy tena mafy tamintsika Malagasy ny laza ratsin’i Madagasikara tany ivelany nandritra izay efa-taonan’ny tetezamita izay. Matokia ahy, hoy ny filoha Marc Ravalomanana fa n’iza n’iza hilatsaka eo na misy aza ny fihodinana faharoa dia tsy matahotra isika fa tena bahanantsika tanteraka ary ataontsika ho ren-tany ho ren-danitra ny tena feon’ny vahoaka. Ireo mpamatsy vola sy ireo mpiaradia amintsika, hoy izy dia tena nitebiteby fa raha sanatriavin’ny vava …, kanjo tena hendry ny vahoaka Malagasy ary mahalala ny zavatra ataony. Momba ny vola be nampiasain’ny kandida sasany nandritra ny fampielezan-kevitra dia nilaza Atoa Marc Ravalomanana, fa fantatry ny mpamatsy vola daholo ny dosien’ireny.
Amboarina ny lalana, miverina ny AGOA
Nisarika ny sain’ny mpanara-dia azy ihany koa ity filoha teo aloha ity ka nahitsy fitenenana nanao hoe : “amin’izao fotoana izao isika tsy misioka fa tsy tafavoaka ny ala. Na izany na tsy izany, afaka midera tena isika”. Tsy maintsy mandresy isika, hoy izy ary tsy maintsy tafaverina eto ny fandriampahalemana, tsy maintsy vitatsika ny fampandrosoana, ary ireo fampanantenana rehetra izay iaharantsika amin’ireo mpamatsy vola ireo. Manome toky anareo aho, hoy izy fa aninkeo maraina (ndlr: sabotsy maraina) dia nilaza daholo ireo mpamatsy vola hoe matoky izahay prezida fa tena hainao ny mampafantatra ny olona, fa miaraka amin’ny vava dia ho tonga daholo ny famatsiam-bola sy ny fanampiana niarahana taminao. Nilaza mazava ny Amerikanina, hoy Atoa Marc Ravalomanana fa hiverina ny AGOA, tsy maintsy mahita asa ireo mpiasan’ny orinasa afakaba ireo ka noho izany dia aza matahotra ianareo fa matoa aho miteny aminareo, dia ao raha. Tena miverina eo amin’ny sehatra misy azy i Madagasikara saingy mila manao dingana mafy dia mafy isika ka miomana amin’izany, hoy i Dada. Matoky aho, hoy izy fa ianareo izay nitolona nandritra ny 5 taona, dia tsy handraraka ilo mby an-doha. Ianareo mpitarika rehetra dia samia mieritreritra tsara izay paikady hanaovantsika ny manaraka raha mbola misy izany. Mazava izao ny lalan-kivoahantsika, hoy i Marc Ravalomanana fa mila miasa miaraka, mila mifampatoky isika, ary mila manaraka ny fanjakana tan-dalàna sy manaja ny lalàmpanorenana. Manome toky anareo aho, hoy izy fa tsy maintsy miverina ny fandriampahalemana, ny mpamatsy vola mba hahafahan’ny olona manatsara ny fidiram-bolany, mampianatra ny zanany. Tsy maintsy miverina ny fanamboaran-dalana, izay mihitsy hoy izy ny fepetra napetrako tamin’ny mpamatsy vola raha hanampy sy hiaraka hiasa amintsika izy ireo. Ireny fiarahabana nataon’ny Amerikanina ireny, hoy hatrany i Marc Ravalomanana dia ampahany fotsiny fa ireo Afrikanina taty sy ny mpanaramaso tonga teto Madagasikara dia efa niteny fa raha sanatria ka ny mpanongam-panjakana no mbola ho eo dia zava-doza.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.