Vaky loha ny ankolafy Rajoelina sy ireo mpanohana azy tafiditra ao anatin’io ny Frantsay, satria tsy vitan’izy ireo hatramin’izao ny nampangina na nanapotika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Diso kajy mihitsy ireo nihevitra fa rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ingahy Ravalomanana dia halemy sy tsy hahavita ninoninona intsony. Efa nandramana novidiam-bola ity filoha teo aloha ity, nandritra ireny fihaonana tamin’ny mpanelanelana tany ivelany ireny, efa notambatambazana mba omena zom-pirenena vahiny, no sady omena asa hahazoana karama be any ivelany fa tsy nanaiky. Ny andro sisa hiainako rehetra dia atokako amin’ny fanasoavana ny fireneko, hoy i Marc Ravalomanana. Ny Afrikanina dia efa tena miaiky an’i Dada mihitsy amin’ny fahasahiany mifanandrina amin’ny Frantsay sy fikambanana iraisam-pirenena maro, tsy vitsy ireo firenena Afrikanina no efa niantso azy mba hiasa any aminy, saingy nolavin’i Dada am-panajana izany fa dia i Gasikara ihany no laharam-pahamehana ho azy. Ny olona mahafantatra tsara an’i Marc Ravalomanana ihany koa dia mahatakatra tsara fa tsy manao zavatra tsy misy antony tampotampoka eo izany izy. Fahadisoan-kevitra goavana ny mieritreritra fa manapa-kevitra tampotampoka noho ny fihetseham-po Ramose, na dia tahaka izany mihitsy aza ny fahitana azy. Ny tian-kambara dia zavatra efa voadinika lalina ny fanohanan’ny ankolafy Ravalomanana ny Dr Jean Louis Robinson, fa tsy resaka hoe tsy manan-tsafidy, na voatery tsy maintsy nisafidy maika izany. Ary na misy aza ny olana mitranga, dia efa tena ampy traikefa amin’ny fiatrehana izany ity filoha teo aloha ity ary araka ny ambarany matetika dia talentany, kapoakany ny fifampiraharahana.
Ny fahiratan-tsainy amin’io resaka fifampiraharahana sy fandresen-dahatra izay miresaka aminy io no nahatonga an’i Marc Ravalomanana ho lasa lavitra tamin’ny tontolon’ny fandraharahana, ary izany ihany koa no nanampy betsaka azy tamin’izy filoha. Ary na dia efa niongana aza izy dia mbola tena henjana amin’io resaka fifampiraharahana io, tsy zava-baovao aminy izany fifandraisana iraisam-pirenena izany ary efa fantany daholo ny fomba fiasan’ny diplaomasian’ireo firenen-dehibe ireo. Manome toky ny Malagasy Atoa Marc Ravalomanana fa tsy maintsy tafita ny tolona, mila fiaraha-miasa anefa izany, mila fifampatokisana goavana ihany koa, izaho matoky anareo ka aoka ianareo mba hatoky ahy koa, hoy izy. Mazava sady mahitsy ihany koa ny teniny ho an’ireo be fanontaniana sy be fanakianana loatra. Hoy indrindra izy : «izay toromarika omeko tanterahana, fa aza miezaka ny hamantatra izay ao anatin’ny lohako ianareo».
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.