Niantso ny Malagasy rehetra tia tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana mba ho tompon’andraikitra feno amin’ny fanavotana ny firenena. Nambarany fa zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, eny fa na dia tsy tonga lafatra aza izany. Nisy mantsy ny fanilikilihana ary tena nitsabaka lalina tamin’ny fiainam-pirenena ireo firenena vahiny. Izany aza no tokony hanetsika ny hambom-pontsika, hoy izy.
Raha tsy mandray anjara amin’ny fifidianana mantsy isika, hoy i Marc Ravalomanana dia manome lalambe migodana ireo mpanongam-panjakana mba hanao izay tiany, dia mbola hitohy hatrany ny krizy sy ny fandrobana ny harem-pirenena, hitombo ny fahantrana ary dia ho lasa modely ratsy aty Afrika i Madagasikara. Hitako ary fantatro fa hahavita ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara ny Dr Robinson Jean Louis ka izany no hanohanantsika azy. Matoky sy mino aho fa hahay hiasa miaraka aminy isika. Matoky koa ny tenako fa hiaraka hiasa amintsika ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy. Nampahafantarin’ity filoha teo aloha ity fa in-telo izy no nihaona tamin’ny Dr Robinson Jean Louis tany Afrika Atsimo. Efa nanontany ny hevitry vahoaka malagasy, efa niresaka tamin’ny mpamatsy vola aho, ary resy lahatra fa ny Dr Robinson no mahavita mitarika ny fampandrosoana ity firenena ity. Nampatsiahy i Marc Ravalomanana fa tena ao anatin’ny fahantrana tanteraka i Madagasikara satria ny 92%-n’ny vahoaka Malagasy no mahantra, 600 000 ny ankizy tsy afaka mianatra intsony, 20%-n’ny ankizy no tsy ampy sakafo. Ny lalana dia faran’izay ratsy, tsy misy matoky an’i Madagasikara ireo mpamatsy vola, tsy mety tonga intsony afa-tsy ireo izay mahazo tombontsoa manokana, tsy mandoa hetra sy haban-tseranana.
Mpitondra fanjakana samy maka ho azy no misy eto Madagasikara fa tsy mametraka ho lohalaharana ny tombotsoan’ny Vahoaka sy izay mahasoa ny firenena, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Nambarany ihany koa fa teo anelanelan’ny volana martsa sy jolay 2013 dia nihena ny isan’ireo Malagasy milaza fa mety ny fiainana nandritra izao fitondrana tetezamita izao, ka tsy misy afa-tsy ny 1%-n’ny malagasy no milaza izany. Nampahafantatra ny Paikady mba hampandrosoana haingana an’i Madagasikara hiarahana amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka koa i Marc Ravalomanana ka ny «Madagasikara Ampandrosoana» indray izany no handimby ny “Madagasikara Amperinasa”. Misy hevi-dehibe mafonja 10 anatin’io fandaharanasa io tahaka ny hoe : vahoaka manan-jo, miaina anatin’ny filaminana, vahoaka afaka manapa-kevitra amin’izay zavatra ataony afaka mioty izay vokatra azony, vahoaka mandray anjara feno amin’ny fiainam-pirenena, vahoaka miasa an-kalalahana, vahoaka mamokatra, liam-pandrosoana, malalaka ny fitenenana sy ny fivezivezena. Tsy misy fampandrosoana vita raha tsy miasa miaraka sy atokisan’ny mpamatsy vola isika, hoy i Marc Ravalomanana. Anjarantsika ny mandeha mifidy sy mampandany ny Dr Robinson Jean Louis, hoy izy raha tiantsika ny hamarana izao fahasahiranana izao. Aza manary toky fa manàna fanantenana, hoy izy mifalia mandrakariva fa momba antsika Andriamanitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.